Ny fiofanana momba ny fampianarana mampiaty dia mandinika ny filàn'ny ankizy sy ny mampiavaka azy
Ny fampiharana ny Back To School & Learning na « Miverina an-tsekoly sy mianatra » dia ahafahan'ny mpampiofana 40 mahazo fampivoarana ny fahaiza-manao mahakasika ny lohahevitra Fanabeazana Mampiaty izay miantoka ny fampitomboana ny fisitrahana fanabeazana

Ao amin’ny Fitaleavana isam-paritry ny Fanabeazam-pirenena aty atsinanan’i Madagasikara dia anisan’ireo mpampiofana miisa 40 miofana momba ny lohahevitra Fanabeazana Mampiaty i Lova. Ny mombamomba azy amin’ny maha-mpampiofana azy eo anivon’ny Foibem-paritry ny Ivotoeram-piofanana nasionaly ara-pedagojia (CRINFP) eto Farafangana hatramin’ny taona 2020 no nahavoafidy azy hanatevin-daharana ireo mpampiofana mpampianatra eny amin’ny ambaratonga voalohany, mahakasika ny lohahevitra isan-karazany, toy ny Fanabeazana Mampiaty, Fanabeazana anaty toe-javatra vonjy taitra, herisetra mifototra amin'ny lahy sy vavy ary fanararaotana hafa na koa ny fanohanana ara-tsaina sy ara-tsosialy.
“Nandritra ny taona maromaro, ny ankizy manana fahasembanana na fahasahiranana amin'ny fianarana dia tsy nahazo tombontsoa mitovy amin'ireo mpiara-mianatra aminy hafa teo amin'ny lafin’ny fisitrahana fanabeazana sy ny lafin’ny fampitana fahalalana. Vao tsy ela akory izay, ny fanofanana mpampianatra amin’ny lohahevitra fanabeazana mampiaty izay notarihin’ny minisitera mpiahy, miaraka amin’ny fanohanan’ny UNICEF, dia nanova fomba fanao mba hampiharana araka ny hitsiny ny foto-kevitry ny fitoviana sy ny ara-drariny”, hoy izy.
Tsy izany tokoa mantsy fa tsapa any an-dakilasy ny fahakivian’ireo mpianatra manana fahasembanana, ka mitarika azy ireo ho amin’ny tsy fahombiazana ary manokatra ny làlan’izy ireo ho any amin’ny fandaozana sekoly. Matetika izy ireny no atokan’ireo mpampianatra tsy mahay miatrika izany toe-javatra izany sy mampifanaraka ny zava-misy. Miady irery ilay mpianatra noho izany ary manao ezaka fanampiny mba hitoviana amin'ireo mpianatra hafa.
Ny fiofanana dia nahafahana nampitaovana ny mpampianatra mba hahafahan’izy ireo mampihatra ny feni-kevitry ny fampiatiana, indrindra ny fijerena ireo karazana aretina sy tsy fahatomombanana. “Ny fomba fijeriko amin’ny maha-mampiofana ahy, ny tena nanaitra ahy indrindra dia ny fampianarana manoloana mpianatra tsy mitovy fomba fisainana. Ny fahatakarana ny feni-kevitry ny fitoviana sy ny ara-drariny dia teboka iray, saingy mbola tsy ampy izany raha tsy misy fitaovana sy fomba fanao tsy ankiato, toy ny fampiharana ny fomba fiasa manome vahana ny ankizy, ny filàny ary ny fahafahany. Ny fanofanana mpampianatra dia tokony hitondra fiovana tsara eo amin’ny fandaminana any an-tsekoly, amin’ny alàlan’ny fampitomboana ny isan’ny ankizy manana fahasembanana misoratra anarana ao an-tsekoly, ny fahatakarana sy ny faneken’ny mpiara-mianatra azy ireo bebe kokoa, ny fanohanana ara-tsaina ho an’ny ray aman-dreny ary ny fanovana ny fomba fijerin’ny fiaraha-monina ny ankizy manana fahasembanana”, hoy izy.
Toa nahaliana an’i Lova sy ireo mpiara-miasa aminy ilay fiofanana nomena tao anatin’ny fanamafisana ny fanapariahana sy ny fahaiza-manaon’ny faritra, tamin’ny alàlan’ny paik’ady fanofanana mifanesy avy amin’ny rojom-pampianarana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nankasitrahana ihany koa ny fomba fiasa ara-pedagojika ary mangataka bebe kokoa ireo mpiofana mba hisian’ny adihevitra sy fifanakalozana.

Ny fanofanana mpampianatra amin’ny lohahevitra fanabeazana mampiaty izay notarihin’ny minisitera mpiahy, miaraka amin’ny fanohanan’ny UNICEF, dia nanova fomba fanao mba hampiharana araka ny hitsiny ny foto-kevitry ny fitoviana sy ny ara-drariny”