Ny fiofanana « Teaching At the Right Level » (TaRL) dia ahazoana kalitao tsara amin’ny fampianarana
-

Any amin’ny faritra Anosy any atsimon’i Madagasikara, ao amin’ny Sekoly Fanabeazana Fototra Anjamahavelo, i Manampisoa dia mampianatra ao amin’ny kilasy T4 sy T5. Manana fahatoniana sy be tsikitsiky izy ka tian’ny mpianany sy ireo mpampianatra namany. Nandritra ny 3 taona, izy no mpanentana amin’ireo kilasy fanarenana ho an’ireo ankizy voatery niala an-tsekoly ary mila fanohanana mandritra ny taom-pianarana; izy io dia fandaharan’asan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, izay tohanan’ny UNICEF ary mahazo famatsiana ara-bola avy amin’ny Fondation Hempel.
I Manampisoa dia anisan’ireo mpampianatra 240 ao amin’ny Sampan-draharaham-paritry ny Fanabeazam-pirenena izay niofana nandritra ny dimy andro tamin’ny fomba TaRL tamin’ny volana jolay 2021. « Afa-po manokana aho satria efa taona maromaro izay no nanehoanay ny filàna fampandrosoana matihanina sy ny fampivoarana ny fahaiza-manao, » hoy izy. Ity fomba vaovao ity dia ampiharina amin’ny kilasy fanarenana izay mikendry ireo ankizy marefo indrindra sy mila fandraisana an-tanana miompana manokana amin'ny lafiny fanabeazana sy ny fanaraha-maso. Izany dia ahafahana mampianatra amin'ny alàlan'ny fijerevana ny fahaizan'ny ankizy matematika sy famakian-teny, fa tsy ny fijerena ny fari-pahaizany sy ny taonany. Ireo ankizy ireo noho izany dia tafiditra ao anatin’ny vondrona iray mifandraika amin’ny fahaiza-manaony.
Nahitana vokatra tsara ity fomba fiasa vaovao ity. "Tena liana amin'ity fomba fampianarana vaovao ity, izay mitovitovy amin'ny lalao, ireo mpianatra. Ny mpampianatra dia manombana haingana ireo zavatra nianarana entina mamarana ny tontolo andro, satria raha miankina amin'ireo mpianatra fotsiny ihany izany dia mbola handany ora maro hiresahana izy ireo," hoy izy. Mpianatra 23 tao amin'ny sekoly ampianarany no noraisina tao amin'ny kilasy fanarenana nandritra ny fialantsasatra 2020-2021; ary nahazo kit scolaire avy tamin’ny UNICEF ihany koa izy ireo.
Amin’ity toerana tena iharan’ny hain-tany ity, ny sekoly Anjamahavelo dia toy ny famaharan’ny mpianatra izay miady amin’ny heriny rehetra manoloana ny fikasana hiala an-tsekoly. Ny mpampianatra, izay miezaka mafy amin'ny fihazonana ny mpianatra an-tsekoly, dia manao izay fara heriny mba hitondrana kalitao amin'ny fanabeazana ny mpianatra. Satria nanolo-tena ho an'ny sehatry ny fanabeazana i Manampisoa dia nirotsaka an-tsehatra tamin’izany izy nandritra ny roa ambin'ny folo taona mahery.
Ny fanoloran-tenany sy ny fahavononany dia nahatonga ireo mpampianatra namany hanaja sy hanome lanja azy. Voafidy ho filohan’ny FEFFI (Komity misahana ny Fitantanana Sekoly) ihany koa ny tenany ka niditra an-tsehatra lalina tamin’ny fisaintsainana sy ny fanentanana ireo mpiara-monina ho amin’ny fanabeazana.
Ankoatr’izany, ny Sekoly Anjamahavelo dia voasokajy ho isan’ireo sekoly taratra 120 ho fanamafisana ireo Komity misahana ny Fitantanana Sekoly, ny fanatanterahana ny Tetikasa an-tsekoly Ifanekena (PEC) miaraka amin’ny fokonolona ary ny TaRL ao amin’ny Sampan-draharaham-paritry ny Fanabeazam-pirenena iarahana amin'ireo mpiara-miombon'antoka maromaro, toy ny UNICEF sy ny ONG Tafita izay tohanan'ny Masoivoho Japoney ho amin’ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena (JICA). Io sekoly io dia mandray mpianatra manodidina ny 650 amin'izao fotoana izao ary misitraka ireo fandaharan’asa tanterahan’ireo sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana telo (UNICEF, Fandaharanasa iraisam-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo, Birao Iraisam-pirenena momban'ny asa), miaraka amin'ny fanohanan'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Norveziana. Izany sekoly izany dia maneho fahavononana feno, na inon-kidona na inon-kitranga, amin’ny iraka entina miantoka ny ho avin’ny ankizy, amin’ny alàlan’ny fanabeazana manara-penitra miainga avy any amin’ny fototra.

