Ny asa tsy ankiaton'ny mpanao gazety manome fampahalalana anatin’ny krizy ara-pahasalamana

Ireo mpanao gazety, maherifo tsy fidiny, dia mendrika ny ho asongadina nohon’ny asan'izy ireo mahakasika ny fandrakofana ny COVID19, amin'ity Andro manerantany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ity.

Fanja Saholiarisoa
Girardo
Photo fournie
04 May 2021

Miasa ao anatin’ny fepetra tsizarizary ny mpanao gazety, saingy tsy nahasakana ny fahafoizan-tenan’izy ireo amin'ny fanatanterahana ny andraikitra sarobidy miandry azy izany; tsy inona fa ny fanomezana fampahalalana ny mponina na dia amin'ny fotoanan'ny krizy ara-pahasalamana aza. Ny haino aman-jery tokoa mantsy dia iray amin'ireo sehatr'asa fototra ary natao “réquisition” ao anatin’ity hamehana ara-pahasalama nohon’ny COVID19 eto Madagasikara ity. Toy ny tamin'ny taon-dasa, miasa eny amin’ny lohalaharana ireo mpanao gazety ary mety hifindran’ny aretina izy ireo ka hampita izany indray amin'ireo olona akaiky azy. Amin'ity andron’ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ity, andao hankalaza ireo mahery fo ireo isika.

Nadia Raonimanalina, izay tsy mihemotra na inona na inona mitranga, eny fa na ny COVID19 aza !

Malala Rakotonirainy, ilay mpanao gazety tanora eny amin'ny lohalaharana

Girardo Ramambasoa, ilay mpanao gazety mpitati-baovao an-tsary tsy voasakana mihitsy


 

Nadia Raonimanalina, izay tsy mihemotra na inona na inona mitranga, eny fa na ny COVID19 aza !

Nohon’ny traikefa nandritra ny 20 taona nananany teo amin’ny sehatry ny asany sy ny fitiavany manao famotopotorana dia niatrika toe-javatra sarotra maro i Nadia Raonimanalina. Saingy nanakorontana ny fiainan’ity renim-pianakaviana manan-janaka telo ity sy ny asany ny COVId19.

 

« Izaho koa aza dia voan'ny Covid-19. Kanefa tsy nahasakana ahy tsy hanohy ny asako amin'ny maha mpanao gazety ahy izany. Sarotra ny fanatanterahana ity asa ity ao anatin’izao fotoan’ny Covid-19 izao, indrindra amin’ny maha-renim-pianakaviana ahy. Ny tena sarotra indrindra dia ny fampifandanjana ny asa sy ny fiarovan-tena mba hiarovana ireo mpiara-miasa amiko ary indrindra ny fianakaviako, » hoy ny fanazavany.

 

Isaky ny mody any an-trano i Nadia dia manaraka fombafomba iray manontolo izy. Saingy ireo fepetra ireo sy ny fanajana ny fihetsika sakana dia tsy nanakana ny valan’aretina tsy hamindra taminy sy ireo olona akaiky azy. Na dia narary aza izy dia tsy maintsy nanao izay hampifandanjana ny asany sy ny aretina. « Tsy nivoaka tao an-trano intsony aho ka voatery nanao “télétravail”. Kanefa tsy maintsy nijanona nandritra ny herinandro aho, rehefa tao anatin'ny krizy tanteraka, » hoy hatrany ity mpankafy ny asany ity izay tsy nihemotra mihitsy na inona na inona nitranga mba hanomezana fampahalalana ny Malagasy.

 

« Amin'ity andro miavaka ho an'ny mpanao gazety ity dia tsy maniry afa-tsy ny hisian’ny fanavaon-gazety tena malalaka aho, saingy ambonin'izany rehetra izany dia maniry ny ho salama tsara foana mba hahafahana manatanteraka ity asa mendrika mikasika ny fampahalalam-baovao ity », hoy izy teo am-pamaranana sady manentana ho an’ny fanohanana ireo mpanao gazety ao anatin’izao fotoanan'ny krizy izao.
 

>>> Miverina eny ambony

 

 

Malala Rakotonirainy, ilay mpanao gazety tanora eny amin'ny lohalaharana

Vao 23 taona monja i Malala Rakotonirainy dia efa miasa eny amin’ny lohalaharana isan'andro. Anisan’ireo tsy maintsy mandeha mitety toerana maro izy ary tena tandindomin-doza. Taorian'ny nahazoany diplaoma dia nofinofiny ny mba hiasa amin'ny fahitalavitra amin'ny maha mpanao gazety azy, kanefa tsy noeritreretiny mihitsy hoe ho ao anatin’ny zavatra iainany ny fandrakofana ity valan’aretina ity !

Miezaka mitady fanadihadiana tsy dia fahita ho an'ny mpihaino izy; niaiky izy mantsy fa lasa sarotra be ihany koa ny fanangonana vaovao ofisialy, indrindra nandritra ny andiany voalohan’ny areti-mandringana raha mbola betsaka ny olona tsy dia nino an'io aretina io. Niezaka ny nampahafantatra sy nanentana ny mponina izy tamin'ny alàlan'ny fametrahana tarehin’olombelona amin’ilay aretina tamin'ny alàlan'ny fijoroana ho vavolombelona mafonja avy tamin'ireo marary. Raha ny filazany dia efa nahita marary roapolo izy. Hatreto aloha dia salama tsara izy na dia mbola niezaka nijery dokotera hatrany aza isaky ny misy zavatra hafahafa mitranga. “Négatif” ny fitiliana sy ny scanner nataony ary tsy nahitana olana, tsy toy ny mpanao gazety marobe tratran’ny COVID19.

 

« Mbola misy hatrany ny tahotry ny ho tratran’ilay aretina. Saingy miezaka miaro tena arak'izay azoko atao hatrany aho amin'ny alàlan'ny sakafo voalanjalanja, rano mafana hosotroina ary ny famonoana otrikaretina, ary indrindra indrindra manaja ny elanelana iray metatra aho », hoy izy.

 

Ho azy, ny mpanao gazety dia manana andraikitra mendrika. Na izany aza, tena ilaina ny mitandrina tsara satria ny fahasalamana dia zava-dehibe ihany koa mba hahafahana manohy ny asa.

>>> Miverina eny ambony

 

 

Girardo Ramambasoa, ilay mpanao gazety tsy azo sakanana

Izy niaraka tamin’ny caméraman, Rodriguez ZAFIMAHALY no anisan'ireo mpanao gazety malagasy voalohany nahazo alàlana hanao fanadihadiana teny anivon’ny tobim-pitsaboana ireo mararin'ny COVID19 tamin'ny aprily 2020. Ho an’i Girardo Ramambasoa, mpanao gazety mpitati-baovao sady tonian-dahatsoratra ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana TVM, toe-javatra fanararaotra izany ary indrindra indrindra fanamby satria tsy nisy mpanao gazety vonona hanatanteraka ilay andraikitra noho ilay izy tena nampidi-doza loatra. Noho izany dia nanolo-tena ihany izy na izany aza. « Raha ny tena marina, tsy mbola natahotra toy izany aho tamin'ny fiainako. Maizina sy tena nangina ilay hopitaly. Ireo mpitsabo izay tsy fantatra mihitsy tao anatin’ireo fitaovana fiarovana EPI no nampitandrina anay tamin’ny loza tsy maintsy natrehanay. Tsy mbola fahita mihitsy izany! Io no fanadihadiana sarotra indrindra tamin'ny fiainako tamin'ny naha mpanao gazety ahy »,  hoy izy.

 

Raha ny nambarany dia niova ny zavatra nandrasan’ny olona  nandritra ny valan’aretina ary tsy tokony nihonona tamin’ny fampahalalana avy amin’ireo andrim-panjakana fotsiny izahay. Tsaroany tsara tamin’ny fiverenan’izy ireo tao amin'ny birao tamin'io andro io dia natoka-monina izy ireo, toy ny hoe efa tratran’ilay aretina; tsy lazaina intsony ny fihetsiky ny fianakaviana akaiky azy.

 

Io zava-nitranga io dia nahatsapany ny loza ateraky ny asany manoloana ny COVID19 ary ny maha-zava-dehibe ny fihetsika sakana. « Nianatra zavatra betsaka aho, ary tsy nitsahatra nianatra zava-baovao tamin'ity krizy ara-pahasalamana ity. Ny hevitra fototra dia hoe mila fampahalalana azo antoka ny vahoaka ary adidiko ny manome azy ireo izany », hoy izy.

Niova ny fiainany andavan'andro hatramin'ny nipoiran’ny valan’aretina teto Madagasikara, na tao amin'ny birao na indrindra teny amin’ireo toerana nanaovany fanadihadiana. Eny tokoa, na dia mampitombo avy roa heny ny fitandremana aza ireo mpanao gazety dia mbola atahorana ho voan'ny tsimok’aretina na mitondra ilay viriosy. « Kanefa na dia matahotra aza ny zanak’olombelona, ny mpanao gazety kosa dia hanohitra izany loza izany, satria tsy azo atao ny mitantara izay tsy hitan'ny maso », hoy hatrany izy.

 

>>> Miverina eny ambony