Nentin’i Addiah hatao vakisiny ny zafikeliny voalohany.
Sambatra ery Addiah, 59 taona, fa efa nenibe amin’izay ka nitondra ny zafikeliny Leyannah, feno dimy andro, hanao ny vakisiny voalohany mandritra izao fanokafana ofisialy ny hetsika fanaovam-bakisiny hiadiana amin’ny lefakozatra izao.

Isan’ireo tompon’andraikitra mandray ireo ankizy tonga voalohany ao amin’ny toby fanombohana ny hetsika fanaovam-bakisiny hiadiana amin’ny lefa-kozatra, izay nataon’ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka ao amin’ny Faritra Boeny, any Andrefan’i Madagasikara i Addiah, avy any Mahajanga ny marainan’ny 16 mai 2023 i Addia, 59 taona, monina ao Mahajanga I, Faritra Boeny. Isan’ireo nahazo ny vakisiny indroa mitete atao am-bava (VPO) izay natao hiadiana amin’ny lefa-kozatra ny zafiny vavikely Leyannah, teraka tamin’ny 12 mai 2023. Leyannah koa no kely indrindra amin’ireo natao vakisiny fanefitry ny lefakozatra, nandritra ny lanonana.
Raha vao vita ny hetsika natao dia nanatona ny ekipa mpanao vakisiny ao amin’ny CSI Mahabibo, distrikan’ny fahasalamana ao Mahajanga I, i Addia mitondra an’i Leyannah ka nilahatra hanao ny vakisiny mahazatra fatao amin’ny zaza, ka hisitraka ny vakisiny fanefitry ny tiberkilaozy.
« Faly be aho fa efa bebe amin’izay », hoy Addiah. « Tahaka ny nanaovana vakisiny ireo zanako jiaby fony fahakeliny, dia ataoko azo antoka ny fanaraha-maso ny zafikeliko rehetra mba ho vita vakisiny ara-potoana, toy ny nataoko fony fahakelin’ny zanako, amin’izay koa mitombo tsara ao anatin’ny fahasalamana izy ireo », hoy ny fanambarany tamim-pitiavana sy tamim-pihetseham-po fatratra.


Ataovy laharam-mahamehana ny fanaovana vakisiny ny zanatsika fa harena sarobidy ny fahasalamana
Na dia nanaraka ny fizaham-pahazam-pahasalamana tao amin’ny hopitalin’i Mahabibo fony izy bevohoka aza ny renin’i Leyannah kely dia tsy maintsy niteraka an-trano ihany tamin’ny alin’ny 12 mai 2023. Natahotra ny tsy fahandriam-pahalemana ny fianakaviany sady natahotra ny hivoaka ny trano tamin’ny alina ka naleon’izy ireo niantso mpiasan’ny fahasalamana ho any aminy hanampy hampizotra tsara ny fiterahana.
« Nozahan’ny mpiasan’ny fahasalamana tsara ny fahasalaman’i Leyannah sy ny reniny ary nasainy hitondra ny zaza hatao vakisiny haingana araka izay azo atao taorian’ny fiterahana. Tonga tao aminay omaly 15 mai ny mpanentana ara-pahasalamana nitsidika sy niresaka mikasika ny hetsika fanaovam-bakisiny fanefitry ny lefakozatra sady nilaza taminay fa azo atao koa ny manao vakisiny fanefitry ny tiberkilaozy mandritra ny fanomboha ofisialy », hoy Addiah nitantara.
« Koa satria mbola tsy maintsy maka aina ny reniny, dia tapaka ny hevitro fa izaho renibeny no hitondra an’i Leyannah hatao vakisiny. Betsaka ny aretina izao ka aleo atao laharam-pahamehana ny vakisinin’ny zaza fa harena sarobidy ny fahasalamana », hoy Addiah namarana ny teniny.
Tohanan’ny UNICEF ny fanomanana, ny fanantanterahana sy ny fanaraha-maso ny hetsika voalohany amin’ny fanaovam-bakisiny fanefitry ny lefakozatra ho an’ny zaza 0 ka hatramin’ny 59 volana , miaraka amin’ny fanampiana avy amin’ny Bill & Melinda Gates Foundation (BMGF), sy ny Centers for Disease Control and Prevention (CDC), ny Alliance du vaccin (Gavi) ary ny Rotary mandritra ny 16 ka hatramin’ny 19 mai 2023 eto Madagasikara, izay ampiarahana ihany koa amin’ny fanatrarana ireo tsy mbola nanao vakisiny mihintsy na ny tsy nahafeno azy rehetra. Ankoatr’izay dia mbola manohana ny famatsiana sy fitaterana ny vakisiny avy any amin’ny iraisam-pirenena ho an’ny distrika 115 koa ny UNICEF ary manampy ny mpitarika eo antoerana izay manana fanoloran-tena hisasa amin’ny fangatahana ataon’izy ireo.sady mitondra fanohanana amin’ny hetsika fanombohana ofisialy rehetra any amin’ny Faritra 23, ny fanentanana ny mpandray anjara eo amin’ny fiaraha-monina toy ny mpanao gazety sy ny sekoly, ary ny mpanentana ara-piaraha-monina izay manao ny fampahafantarana rehetra eo amin’ny fiaraa-monina.
