Milofo ho amin'ny fitantanana tsara kokoa ny rano : loharanon'aina sy fitahiana

-

Maminirina Rakotomalala
two young girls carrying water cans filled with the water brought by the pipeline.
UNICEF/UN0508297/Ramasomanana
16 Martsa 2023

Any atsimo andrefana, tsy lavitra an’i Toliara no misy ny tanàna kely antsoina hoe Tanambe Manirisoa izay faritra maina, voahodidina raketa. Ny faharatsian’ny kalitaon’ny tany sy ny tsy fikojakojana ny lava-drano fatsakana misy eo an-toerana no nahatonga olona manodidina ny 250 eo ho eo mampiasa rano ambanin’ny tany ho an’ny filàn’izy reo andavanandro, indrindra ho an’ny fidiovana, fandrahoan-tsakafo, fanasan-damba ary hatramin’ny rano ho an’ny biby fiompy, ny fambolena nandritra ny 7 taona mahery.

Tamin'ny taona 2022, ny lavaka fatsakana natsangan'ny UNICEF sy ny ONG SAHI mpiara-miombon'antoka aminy dia nahafahana nanarina haingana ny toe-draharaha. Ny fiantraikany eo no ho eo amin’ny fahazoana rano fisotro madio indray dia efa nanatanterahan’ny lehiben’ilay tanànakely fanentanana sy fanoloran-tena manokana mba hanentanana ny mponina hanaja ireo fotodrafitr’asa ireo sy hikojakojana bebe kokoa ny toerana fanovozana rano.

Tsy izany mantsy fa simba ilay lavaka fatsakana efa misy eo an-toerana, ary tsy misy vinavina avy amin’ny tompon’andraikitra ny amin’ny mety ho fanavaozana azy. Izany no tena antony nitarika ny fampiasana ny rano ambanin'ny tany; kanefa tsy miantoka ny fahazoana fahasalamana io safidy io. Ny fampiasana izany dia nahatonga ny mponina ho tratran’ny aretina azo avy amin'ny rano, ary ny aretim-pivalanana sy ny aretina hafa ihany koa.

Araka izany, nantsoina hoe « loharano sy rano feno fitahiana » ity loharano vaovao ity noho ny fiantraikany eo no ho eo sy tsara nentiny teo amin’ny mponina. Ilay lavaka fatsakana dia ahitana paompy mandeha amin’ny herin’ny olombelona ary voafefy mba ho voaro amin'ny tontolo ivelany sy mba ho azo sotroina hatrany. Ny rano fisotro madio miboiboika voajanahary avy ao araka izany dia azo antoka kokoa, ary nanampy betsaka tamin’ny fanovana ny fahazarana sy ny fomba fanao mikasika ny fidiovana teo amin’ilay tanàna, eny fa na dia teo amin’ny fiaraha-monina manodidina aza. Nifandamina ireo mponina mahakasika ny fitantanana izany fotodrafitr’asa voajanahary izany. Tsapan’izy ireo tokoa mantsy ny fananana loharano sarobidy ho an'ny fahaveloman'ny tsirairay ka nanatanteraka fifanarahana ara-tsosialy, antsoina hoe "Dina", na fitsipika napetraky ny vondrom-piarahamonina izy ireo mba ahafahana mikojakoja tsara ny toerana fanovozan-drano, sy mitantana ny fampiasana izany entina miantoka ny faharetany. Nohamafisin’ny lehiben’ilay tanànakely fa « ilaina ny fiarovana ny rano satria raha tsy misy rano dia tsy misy aina ».

Io lehiben’ny tanàna io izay nanana faharisihana goavana tsy nisy toy izany dia nanaiky ny hanentana ireo tanàna hafa manodidina amin’ny fitantanana tsara ny rano sy amin’ny fitandroana ny fahadiovana ao an-tanàna mba ho vitsy kokoa ireo zaza lasibatry ny tsy fitandremana ara-pahasalamana.