Manovo fianarana i Anjarasoa mba handray anjara amin’ny fampandrosoana sy ho olom-pirenena mendrika
Nahafahan’ny tanora miisa 3000 any amin’ny faritra Anosy any atsimon’i Madagasikara hiverina any an-tsekoly ny fanampian’ny UNICEF


17 taona i Anjarasoa ary mipetraka any amin’ny faritra Anosy any atsimon’i Madagasikara. Maty ny rainy tamin’ny taona 2020 tao aorian’ny aretina mafy nahazo azy. « Mafy tamiko tokoa ny nahalasanan’ny raiko, » hoy izy tamin’alahelo. Mpiambina ny fiangonana teo an-tanànan’i Manatantely ny rainy. Ao amin’io fiangonana io ihany koa ny reniny no miasa no sady mamboly amin’ny ankamaroan’ny fotoanany.

I Anjarasoa dia zaza farany amin’ny ankizy 5 mianadahy, ahitana vavy 2 sy lahy 3. Satria betsaka ireo zaza ao an-trano dia navesatra ho an’ireo ray aman-dreniny ny namelona azy ireo. Amin’izao fotoana izao dia vao mainka miha-sarotra ny toe-draharaha satria miady irery ny reniny amin’ny famelomana azy ireo.

Mpianatra kilasy faha-valo ao amin’ny Sekoly Ambaratonga Faharoa ao Soanierana i Anjarasoa. Tsy maintsy nijanona tsy nianatra intsony izy ny taona 2019 satria tsy afaka niantoka ny fianarany intsony ny ray aman-dreniny. Tao aorian’izay dia nanampy ny reniny tamin’ny raharaha ao an-tokantrano no tena nandaniany ny fotoanany, ary rehefa misy fotoana malalaka kely izy dia mamaky boky.

Miatrika fanamby lehibe ireo tanora miala sakana any Madagasikara, indrindra ireo tovovavy; manakana azy ireo tsy hahatratra amin’ny fahafenoany ny fahafaha-manaony izany. Any amin’ny faritra Anosy dia 12%-n’ireo adolantsento ihany no mahatapitra tanteraka ny ambaratonga voalohany.

Nanatrika ny CRAN (Cours de Remise à Niveau) tao amin’ny sekoly fianarany ihany i Anjarasoa ny volana oktobra 2020. Noho ny fanampiana avy amin’ny UNICEF izay novatsian’ny Sampan-draharaha Koreana misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena (KOICA) vola nanomboka tamin’ny 2017, ary koa ny Fondation Findel, ity fandaharan’asa ity dia nanampy tanora maherin’ny 3000, izay ahitana tovovavy miisa 1700 hiverina any an-tsekoly.

Tohanan’ireo mpanabe azy i Anjarasoa ary ambaran’izy ireo fa tena mazoto tokoa izy any an-tsekoly. « Tena manana fahavononana tokoa izy ary tsy mbola nanapaka mihitsy», hoy ny mpanabe iray izay nandrisika azy hatrany. Mampiasa boky hahafahany mianatra irery ireo mpianatra mandritra ny ora fianarana ary mitambatra ho vondrona izy ireo rehefa hanao fampiasana, izay tsarain’ny mpampianatra avy eo. Manampy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ihany koa ny UNICEF, amin’ny alàlan’ny fanomezana fiofanana ireo mpampianatra, fanolorana fitaovana ilaina amin’ny fampianarana, fanomezana fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra manatrika ny CRAN, fanamboarana efitrano fianarana vaovao ary fanamafisana ny fahaiza-manao ao amin’ny toeram-pianarana.

Miaraka amin’ny namany Brillante (eo ankavia) foana i Anjarasoa. Afaka niverina an-tsekoly ihany koa io namany io noho ny fisian’ny CRAN.

Tafiditra ao anatin’ny fiainana any an-tsekoly ny fialamboly ary mandray anjara feno amin’ny fivelaran’ny mpianatra izany. Vao maneno ny lakolosy fialan-tsasatra dia mihazakazaka mankany an-tokotany i Anjarasoa sy ny namany mba hilalao baolina kitra.

Misitraka ny CRAN ihany koa ireo mpianatra niala fianarana amin’ny ambaratonga voalohany any amin’io faritra io noho ny famatsiam-bola avy amin’ny “Hempel Foundation” sy ny “Comité Danois” ho an’ny UNICEF sy ny fanjakana Norveziana.

Misy ireo tanora miala sakana toa an’ireo kambana, Vanessa sy Vania izay afaka nandia sekoly noho ny fandaharan’asa mampianatra mamaky teny sy manoratra, izay mikendry ireo zaza tsy makany an-tsekoly ka tsy afaka manaraka ny « cours de remise à niveau » na ny CRAN.

Manohy mianatra ao an-trano I Anjarasoa ary nihatsara ny valim-panadinany vokatry ny ezaka nataony sy ny vokatr’ity fampianarana ity.

Maniry ny handray anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara i Anjarasoa rehefa tonga olom-pirenena mendrika izy, amin’ny alàlan’ny fampianarana.
« Maniry ho lasa mpampivelona aho satria tiako ny manampy ny hafa », hoy izy velom-panantenana.