Manala fanadinana voalohany mandritra ny COVID-19, miaraka amin’ny fanantenana sy tebiteby

Antsa sy Alexana dia hiatrika voalohany fanadinam-panjakana amin'ity taona ity

Fanja Saholiarisoa
Antsa en pleine révision
UNICEF Madagascar/2020
07 Septambra 2020

Zazavavy kely roa, Antsa Valérie – 10 taona sy Alexana – 11 taona avy any Farafangana sy Manakara no nanokatra ny tontolony taminay tao anatin’ny tafatafa nandritra ny minitra vitsivitsy. Samy hiatrika ny fanadinam-panjakana voalohany eo amin’ny fiainany izy roa ireto amin'ity taona ity, ary amin'ny talata 08 septambra 2020 no ho tanterahina izany.

Ny taom-pianarana dia lava sy nampitaintaina ho an'ireo zazavavy kely roa ireo, toy ireo ankizy an'arivony maro hafa izay voatery nijanona tsy nianatra, ary nandany efa ho telo volana na mihoatra tao an-tranony, taorian'ny fampiharana ny hamehana ara-pahasalamana izay nihatra teto Madagasikara nanomboka ny 23 martsa. Fanapahan-kevitra izay nentina nisorohana ny fifindrana sy fivezivezen’ny otrik’aretina. Nanomboka tamin'io daty io tokoa mantsy dia nikatona ny sekoly ary ny sasany dia tamin'ny volana jolay teo vao nisokatra.

Ho an'i Antsa dia tsy maintsy niatrika ny fiovan'ny fomba fiaina tany Farafangana izy, ary i Alexana kosa dia tsy maintsy nanamafy ny fiarovana tany an-tranony tany Tanambe, Manakara. "Natahotra mafy aho tamin'ny voalohany satria tampoka be ilay fampandrenesana ary nanakorontana zavatra maro be", hoy i Antsa, izay tsy maintsy niatrika ny fiovana. Mba hialany voly dia mikarakara ny tranon’akohony na mamaky boky izy handaniany ny fotoana malalaka. Ny nofinofiny ho tonga mpahay toekarena toa ny rainy dia tena manan-danja mavesatra aminy. "Miezaka manohy ny lalana nizorako aho na eo aza ny olana," hoy izy. Ny ray aman-dreniny dia manampy azy amin’ny fanohizany ny diany.

Momba an'i Alexana indray dia miezaka manaraka araka izay vitany ny fandaharana amin'ny radio izay manolotra fanabeazana ampitain-davitra ho an'ny ankizy izy.

Ny zanakay vavy roa dia hiatrika ny fanadinana CEPE amin'ny talata 08 septambra ho avy zao mba hahazoan’izy ireo ny fahazoan-dalana miditra any amin’ny ambaratonga faharoa. Fotoana izay nandrasana hatry ny ela.

Samy be fanantenana foana izy mirahavavy na eo aza ny zava-mitranga. Nanao izay faraheriny izy roa tamin'ny fotoana fanaovana famerenan-desona tany am-pianarana. "Tsy maintsy afa-panadinana aho na inona na inona miseho", sady nampahery tena i Alexana, izay mianatra ao amin’ny sekoly ambaratonga voalohany.

Tatala no fotoana ifanomezan’ny mpianatra an'arivony anaovana CEPE, anisan’izany ireo avy any amin’ny Faritra Atsinanana, Haute Matsiatra, Amoron'i Mania, Vatovavy Fitovinany, Atsimo Andrefana. Ireo avy any amin'ny faritra vitsivitsy dia efa nahavita tamin’ny talata lasa teo ary ny valiny dia nivoaka tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo.

Manohana ny fisokafan'ny sekoly Ny UNICEF, izay hahafahan'ny mpianatra manohy fianarana am-pitoniana. Nandritra ny hamehana ara-pahasalamana, ny UNICEF dia nanampy tamin’ny fandefasana fandaharana tamin’ny fampielezam-peo ho an'ny CP1 sy CP2,  namoaka afisy fanentanana momba ny fidiovana ary nikarakara famonoana otrik’aretina tao amin’ny efitrano fianarana mihoatra ny 98 000, tsy hadino koa ny fananganana toeram-panasana tanana miisa 28 000 any an-tsekoly.

 

Alexana, lors des dernières révisions à l'école