Manakaiky ireo vahoaka mitolona amin’ny tsifanjariantsakafo ireo rafitra miantsehatra amin’ny fano
Any amin’ny faritra midadasika any antsimo antsinanan’i Madagasikara dia lohalaharana amin’ny asa fanavotana ireo ankizy iharan’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika ny mpisehatra ara-pahasalamana izay tohanan’ny mpanentana ara-mpiaraha-monina

Niverina tsikelikely amin’ny laoniny ny fiainan’ny mponina ao amin’ny tananan’i Manambotra – any amin’ny faritra atsimo atsinanan’i Madagasikara, herintaona taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai sy Emnati tamin’ny volana febroary 2022. Nosembanin-drahona ny lanitra raha iny niomana namonjy ny fivoriam-behivavy eo an-tanàna iny i Herisoa Albertine satria araka ny re dia misy hetsika karakarain’izy ireo. Nanorina tranoheva vita amin’ny hazo kelikely teo anivon’ny trano maromaro vita amin’ny hazo izy mba handraisana ny olona nasaina. Mpiasan’ny fahasalamana eo anivon’ny fiarahamonina misy azy i Albertine. Tonga niara-nivory teo ireo zaza amam-behivavy zato mahery.
Nanomboka nanao fanentanana i Albertine ary dia nifantoka tanteraka tamin’ireo akora nampirantiana teo ambony latabatra ny maso rehetra. « Araka izao hitanareo izao, dia ilaina ny sakafo samihafa sy maro karazana ho fihinanareo sy ny zanakareo. Tena ilaina koa ny fampinonoan-dreny ho mba hahafahan’ny zanakareo mitombo », hoy izy nanantitrantita nandritra ny antsasakadiny naharetan’ny fivoriana.
Teo akaikin’i Albertine koa i Mario, mpanentana ara-piarahamonina izay miara-miasa akaiky amin’ny « Office Régional de la Nutrition », tonga nanohana sy nanatanteraka ny hetsika niaraka taminy, « hanomboka ny fandanjana ny zanakareo sy ny fakana ny refin-tsandriny ary aloha isika », hoy izy tamin-pahavitrihana. Nifanampy izy mianadahy raha nanomboka nikarakara ny sakafo nentin’ny mpiaramonina kosa i Olidée, mpahandro sy ireo namany anankitelo. Nanolo-tena an-tsitrapo hanao io asa io izy satria isan’ireo tratry ny tsifanjarian-tsakafo ny zanany.
« 185 amin’ny ankizy latsaky ny dimy taona iharan’ny tsifanjarian-tsakafo mahery vaika raisinay an-tanana ankehitriny. Tamin’ny novambra 2022 no niantombohan’izany fandraisanay an-tanana izany teo anivon’ny fiaraha-monina ary tsy mitsaha-mitombo ny tranga, noho ny fahasimban’ny fambolena vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza. Raha ny tokony ny tranga-na tsy fanjarian-tsakafo antonontonona dia tokony ho vahan’ny toby miantsehatra amin’ny tsy fanjarian-tsakafo hita eny amin’ny faritra misy ny mponina saingy tsy misy trano fitehirizan’entana azo asiana izay zavatra ilaina any, ka dia any amin’ny tobim-pahasalamana no natao ho toerana handraisana an-tanana ny tsy fanjarian-tsakafo. » hoy Albertine.
Ireo mpiantsehatra amin’ny fanomezana lanja ny maha-olona dia milaza fa tombanana ho 115.000 ny isan’ireo mila fitsaboana sy miady amin’ny olan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika amin’ity taona 2023, any amin’ny faritra midadasika any Atsimo Atsinanan’ i Madagasikara.

© UNICEF/UN0794254/Andriantsoarana
Albertine mandanja an’i Franckline, zanak’i Olidée, zaza 2 taona, tratry ny tsifanjarian-tsakafo mahery vaika antononntonony.

© UNICEF/UN0794202/Andriantsoarana
Olidée, mpahandro mpilatsaka an-tsitrapo, nanana zanaka tratry ny tsifanjariantsakafo, mahandro ny sakafo entina anaovana fampisehoana mikasika ny fomba fahandro.

© UNICEF/UN0794264/Andriantsoarana
Mandray ny fanampin-tsakafo tonga dia azo ampiasaina hitsaboana ny tsifanjariantsakafo mahery vaika antonona ho an’ny zanany Olidée.
Miara-miatrika ady
Nandefa antso avo fangatahana vola mitentina 13 tapitrisa dolara ireo mpisehatra ao anatin’ny ady amin’ny fanjariantsakafo hoenti-mamaha ny olan’ny tsifanjarian-tsakafo any amin’ny faritra anankitelo any Atsimo Atsinanana. 11%’-n’izay filàna ara-bola izay ihany anefa no tratra tamin’ny volana febroary, na dia mbola namely mafy ireo faritra ireo aza ny rivodoza Freddy, ka vao maika lasa tena marefo amin’ny fomba manokana manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro sy ireo tranga tena ratsy ateraky ny fiovaovan’ny toetrandro. Noho ireo rehetra ireo dia nanao antso avo maneran-tany ny UNICEF sy ireo fikambanana efatra hafa ratsa-mangaika ao anatin’ny ny Firenena Mikambana antso manerantany nanambara fa mila hetsika atao avy hatrany isika hoenti-miaro ireo ankizy tena marefo avy amin’ny firenena 15 isa tena voakasiky ny kirizy ara-tsakafo sy ny tsifanjarian-tsakafo, ary firenena iray ao anatin’izany Madagasikara.
Rehefa madiva ho vita ny fitiliana nataon’i Albertine sy Mario dia hita fa nanana soritr’aretina tsifanjarian-tsakafo mahery vaika i Merlino, zaza vao enim-bolana. Nanaraka azy haingana ho any amin’ny tobim-pahasalamana, izay indroa mandingana monja avy eo amin’ny toby i Albertine mba hahafahan’i Merlino misitraka ny fitsaboana sahaza azy ; dia sakafo sady fanafody azo ampiasaina avy hatrany. Nohararaotiny nohamafisina avy tamin’ny mpiasan’ny fahasalamana tao koa ny vokatry ny fitiliana hitany tany an-toby.
Tsikaritra tao amin’ny tobim-pahasalamana koa ny firongatry ny tazomoka vokatry ny fisian’ny rano mihandrona. « Olona 58 amin’ny 63 notiliana no hita voan’ny tazomoka omaly. » hoy ny fanazavan’i Marcelin, mpiasan’ny fahasalamana ao amin’io toby io.
« Masaka ny sakafo ! » hoy ny bitsibitsik’i Olidée tamin’i Albertine rehefa tafaverina avy tany amin’ny tobim-pahasalamana izy. Hadinon’ny mpandray anjara tao anatin’ny indray mipi-maso ny tebitebin’ny fiainana andavan’andro teo am-pizarana ny sakafo mifanentana tsara amin’ny filàn’ny ankizy madinika. Tamim-pifaliana no namaranana ny fivoriana alohan’ny hodian’ny rehetra.

© UNICEF/UN0794688/Andriantsoarana
Zoronalia (manao tee-shirt manga) avy notiliana tazomoka eo anoloan’ny tobim-pahasalamana Manambotra atsimo.

© UNICEF/UN0794278/Andriantsoarana
Zaza renoky ny torimaso rehefa avy nihinana ny sakafo nomanina nandritra ny fampisehoana fahaiza-mahandro.

© UNICEF/UN0794722/Andriantsoarana
Albertine mitsidika ny tokantranon’ireo reny manana zanaka tsy mahazo lanja sy manome torohevitra azy.