Mampisokatra ny sain’ny ankizy hahay mamorona ny fanandramana lalao vaovao
Ankizy maherin’ny 16.000 no nandray anjara tamin’ny atrikasa « LEGO® Build the Change » (mandrafitra fiovana) nokarakarain’ny UNICEF sy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ka nandritra izany no nanehoan’izy ireo hevitra

Andro tsy toy ny mahazatra androany, injao misy zavatra mikapokapoka ao am-baravaran’ny sekoly fanabeazana fototra ao Ampefiloha ao Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara. Vita ny fianarana maraina ho an’ny taona faha-efatra, ka navory tao amin’ny efitrano iray hafa efa nomanina handraisana azy ireo mpianatra. Hagagana no nisoritra teny amin’ny endriky ny ankizy raha nahita ireo biriky Lego maro loko miparitaka eo ambony latabatra. Nazavain’i Lalaharindratana Reine Evelyne, mpampianatra, ny anton’izao atrikasa « LEGO Build the Change » (LEGO mandrafitra ny fiovana) izao. Nihaino tamim-pahalinana ny taridalana ny ankizy, dodona haneho ny heviny mikasika amin’ny fiovana, ny faniriany sy ny ho aviny amin’ny alalan’ireto biriky Lego ireto. Sambany no hilalao toy izao izy ireo ary tsy isan’andro rahateo no angatahana azy haneho ny hevitra amin’ny alalan’ny kilalao toy izao.
« Tsy misy hetsika na fandaharana hafa ankoatry ny fandaharam-pianarana atao amin’ny sekoly fa dia fa samy manao izay kilalao hainy sy ananany ny mpianatra. Faly izahay mandray anjara amin’izao hetsika izao satria mampisokatra ny saina sy mampivelatra ny fahaiza-mamorona ny fandrafetana ny biriky Lego mba hanorenana zavatra iray, hoy Evelyne, mpanazatra nandritra ny nandritra ny atrikasa. Trano fanaovana lanonana no narafitr’i Anita, 11 taona. « Tia fety fankalazana tsingerintaona aho ary maniry raha mba afaka mankalaza izany avokoa ny ankizy rehetra rehefa tonga ny fotoana fitsingerenan’ny taona nahaterahany », hoy izy menamenatra.


Mandrafitra fiovana ho an’ny ankizy
Ny taona 2022 no nankalaza ny faha-60 taonany tany Copenhague ny sampana mpanao famatsiana ao amin’ny UNICEF izay mpanolotra ireo fitaovana ilain’ny ankizy hoentiny miaina sy mivelatra. Ho fanamarihana izany dingana lehibe izany, sy hanohanana ny zon’ny ankizy hisitraka fitaovana sy hahazo hilalao, dia niara-dia tamin’ny UNICEF ny orinasa Danois malaza iray antsoina hoe LEGO Group ka nandrafitra ny tetikasa « LEGO, mandrafitra fiovana » ho an’ny ankizy manerana izao tontolo izao. Biraom-pirenena efatra, isan’izany i Madagasikara, no nampihatra ity tetikasa ity ka nampandray anjara ankizy avy amin’ny tontolo samihafa hiara-mandrafitra tontolo vaovao mifanaraka amin’ny ilain’ny ankizy mandritra ny filalaovana ireo biriky LEGO. Hisy fiantraikany eo amin’ny hetsika fanovàna hotontosain’ny UNICEF ny angon-kevitra azo avy amin’ireo ankizy ireo.
« Saika ankizy avy any amin’ny fianakaviana sahirana ny ankamaroan’ny mpianatra ato amin’ny sekolinay. Tena soa fanararaotra lehibe ho azy ireo ny mandray anjara amin’ny karazana lalao toy izao, sy hahafahany manana fomba vaovao hoenti-maneho hevitra mandritra ny lalao », hoy Rakotonirina Harijaona, talen’ny sekoly, nanantitra. Faritra dimy eto Madagasikara no namolavolan’ny UNICEF sy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena atrikasa hatao eny amin’ny sekoly fanabeazana fototra toy izao ka efa mahatratra 16,000 ireo mpianatra nisitraka izany. Nody am-pifaliana ireo mpianatra rehefa vita ny atrikasa natao tao Ampefiloha, afa-po nianatra zava-baovao. “Lapa’ny filoha no narafitro satria te ho tonga filoham-pirenena aho indray andro any mba hahafahako manampy ireo tsy manana” hoy i Sitraka matotra dia matotra, 10 taona izy ary anisan’ireo ankizy nandray anjara tamin’ny atrikasa tamin’io andro io. Nandrafitra kijana ho an’ny biby kosa i Faravavy (10 taona), mpandray anjara hafa koa, satria araka ny heviny dia tontolo misy biby sy zavamaniry no tontolo tsara indrindra hiainana.


