Laura Rasoanaivo : « Ny maha tompon-daka dia toe-tsaina aloha voalohany indrindra! »
Fanontaniana 5 ahafantarana bebe kokoa an'i Laura Rasoanaivo, tompon-dakan'ny Judo sokajy zandriny eto Afrika ny 2022

Vao 18 taona i Laura Rasoanaivo dia efa nandrombaka ireo anaram-boninahitra teo amin’ny taranja nisy azy, ny judo. Ankoatra ny fitiavany ilay fanatanjahantena ankafiziny, i Laura dia matotra sy milamina. Tsy isalasalana fa singa manan-danja manampy azy hamboatra ny lalan-kizorany izany.
Mamaly fanontaniana 5 izy mba hanampiana antsika hahatakatra ny momba azy bebe kokoa sy hanampiana ny tanora haka aingam-panahy avy amin'ny zavatra niainany.
Izaho dia Laura Rasoanaivo, 18 taona, judoka, tompon-dakan’i Madagasikara; nahazo medaly volamena tamin’ny lalaon’ny Nosy 2019, nahazo medaly volamena tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena tao La Réunion tamin’ny taona 2020 ary farany teo dia nahazo medaly volamena tamin’ny fiadiana izay ho tompondakan’ny Afrika tamin’ny sokajy zandriny 2022.
1. Inona no mampifoha maraina anao? Ny antony manosika anao?
Mifoha maraina aho mba hanatrarana ny tanjoko eo amin'ny fiainana, mamorona sy manatanteraka ny nofiko. Izany dia ahafahako mamorona fomba fiaina ara-pahasalamana, fa indrindra indrindra mahita vokatra mba hahazoana angovo feno.
2. Ahoana no hamaritanao amin'ny ankizy iray ny tontolo andro mahazatra anao?
Teny telo no mamintina ny tontolo androko: fanatanjahantena, famakiana boky ary fianarana. Isan'andro dia manao izay ho afako aho mba hamaranana izay natomboko. Fa ny tena mahafaly ahy dia ny miara-mifaly amin’ireo olona tiako.
3. Inona no zava-bita manokana sy arak’asa tsara indrindra vitanao?
Ny zava-bitako lehibe indrindra hatreto dia ny fomba nananganako ny fiainako teo amin’ny lafiny ara-tsaina, ny niafarako tao anatin’izay taona maro izay ary ny fandresena azoko saika tamin'ireo fifaninanana rehetra nandraisako anjara.
4. Inona no filozofianao eo amin'ny fiainana?
Ny filôzôfian'ny fiainana ho ahy dia : « Tiava ny tenanao, dia tiavo izay ataonao ary mamorona fahasambarana ho anao. »
5. Hatramin'ny nanaovanao ny Ted talk farany niaraka tamin'ny UNICEF, inona no niova teo amin'ny fiainanao sy ny fomba niatrehanao izao tontolo izao?
Hatramin'ny Ted Talk nataoko tamin'ny taona 2019 dia niha-matotra aho, nianatra nandray ny zavatra tsara rehetra, nianatra ny ho faly kokoa aho ary niteny tamin'ny tenako hoe ny asa rehetra dia misy vokany foana indray andro any, na dia mila fotoana aza izany.
Te-hiteny amin'ny tanora sy ny ankizy aho mba tsy hitsahatra hanana nofy goavana, tsy hamela izay zavatra manan-danja ho azy izy ireo. Afaka miatrika fanamby isika, na dia eo aza ny zava-tsarotra. Tsy ilaina ny miasa "mafy" fotsiny, fa ny miasa tsara sy amim-pahakingan-tsaina, miorina mafy hatrany ary ambonin'ny zavatra rehetra dia manam-paharetana amin'ny zavatra ataonao.
Te-hiteny amin'ny tanora sy ny ankizy aho mba tsy hitsahatra hanana nofy goavana izy ireo

