Fiatrehana amin’ny fomba maro isankarazany vonjy taitra manahirana any atsimon'i Madagasikara

Ny famakafakana ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny ankizy any amin’ny faritra dia mampiseho fa ankizy maherin’ny 300.000 no tandindomin-doza amin’ny volana ho avy, ka eo amin’ny 60.000 eo ho eo ny zaza lasibatry ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika.

Abela Ralaivita
Sambeirake, 20 ans, regardant son bébé de quatre jours Mananantsoa dans sa maison, dans le sud de Madagascar.
UNICEF/UN0595854/Andrianantenaina
13 Martsa 2022

Ao amin’ny fokontany Andranotsiriry, 20km miala ny tanànan’Ambovombe, Dr Raymondine no mitarika ny ekipa mpitety vohitra mba hitsaboana ireo ankizy mipetraka any amin’ireo faritra mitoka-monina sy lavi-toerana. Misy mpiasan'ny fahasalamana iray hafa manampy azy amin’ny fitiliana sy fandraisana an-tanana ny tsy fanjarian-tsakafo amin'ny ankizy. Tamin'io andro io dia tonga i Lohambosie, niaraka tamin'i Jessica zanany vavikely valo volana sy ankizy enina hafa avy ao an-tanàna, nandeha an-tongotra nandritra ny telopolo minitra. Ny refi-tsandrin’i Jessica dia tafiditra ao anatin’ny  faritra misy loko mavo: voan'ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika amin'ny endriny antonony izy, vokatry ny tsy fahampian-tsakafo. « Mpanentana ara-pahasalamana aho ary ny andraikitro dia mitondra ireo zaza marary sy tsy ampy sakafo mankeny amin’ny tobim-pahasalamana. Indrisy anefa fa anisan’ireny ny zanako », hoy izy, manahy ny amin’ny fahasalaman’ny zanany, izay hahazo fitsaboana sahaza eny amin’ny toby fikarakarana eo an-tanànany.

Lohambosie venue avec sa fille pour se faire dépister de la malnutrition
UNICEF/UN0595888/Andrianantenaina
Un champ de mais détruit par la sècheresse et le « Tiomena »
UNICEF/UN0595863/Andrianantenaina

Ny faritra atsimon'i Madagasikara dia mbola anatin’ny haintany faran'izay mafy indrindra niainany tao anatin'ny 40 taona, ka ny ampahany amin'ny mponina ao aminy dia miady ho  amin’ny fanavotan’aina. Ny hain-tany nifanesy nandritra ny taona maro dia nandripaka ny vokatra ary nanakana ny fahazoana sakafo. Na dia eo aza ny fandraisana andraikitra amin’izao fotoana izao dia mbola ambony ihany ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny Grand Sud sy Grand Sud Est eto Madagasikara, ka olona miisa 1,64 tapitrisa no voasokajy anaty Krizy na Vonjy taitra, izany hoe 37%-n’ny mponina nanaovana fanadihadiana. Ankoatra izay, mbola manasarotra ny fiainan’ny mponina ilay rivotra avy any atsimo antsoina hoe “Tiomena” izay mitovitovy amin’ny tafiotra fasika.

Miara-miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

Tamin'ny taona 2021, ankizy manodidina ny 60.000 no notsaboina noho ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika. Ankizy iray amin'ny telo amin'ireo tranga ireo no notsaboin'ny ekipa mpitety vohitra, toa ilay notarihin'ny Dokotera Raymondine, ary nahazo sakafo ara-pahasalamana efa vonona izay natolotry ny UNICEF. Mba hahafantarana ny sata ara-tsakafo misy ny ankizy any atsimo dia nanatanteraka fitiliana isam-bolana zaza miisa 130.000 eo ho eo ireo mpiasan’ny fahasalamana sy mpanentana ara-pahasalamana. Efa nampiofanina sy nomena brasele fangalana refi-tsandry mihitsy aza ny ray aman-dreny mba hahafahan’izy ireo mamantatra ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny zanany.

Isan’ireo ray aman-dreny nahazo izany fiofanana izany i Langesa, 42 taona, mpamboly ary manan-janaka 12. « Noho ilay brasele dia afaka mahafantatra aloha ny tsy fahampian-tsakafo amin'ny zanako aho. Nilaza tamin’ireo ray aman-dreny hafa ao an-tanàna izay mbola tsy nahazo izany brasele izany mihitsy aza aho fa afaka manampy azy ireo, » hoy ny fanazavany.

Un enfant mangeant l’aliment thérapeutique prêt à l’emploi au centre de santé
UNICEF/UN0496738/Andrianantenaina
Portrait de Langesa, 42 ans
UNICEF/UN0595913/Andrianantenaina

Ny rano, ilay singa manan-danja

Ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai sy Emnati tamin’ny febroary 2022 dia nampitombo ny tahirin-drano ambanin’ny tany amin’ny reniranon’i Mandrare, ary nahafahan’ny olona anarivony manodidina ny tanànan’Amboasary nahazo rano. Torak’izany ihany koa ny any amin’ny faritra hafa any amin’ny faritra Androy, ka nitondra fanantenana ho an’ny mponina izay tantsaha avokoa ny ankamaroany.

Any amin’ny tanànan'i Ehavo, 20km miala an'Ambovombe, ny legioma dia maniry araka ilay fomba fampiasana maromaro ny rano: famatsiana rano notontosain’ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy tamin’ny taona 2020 izay sady nahafahana namatsy rano fisotro ho an’ny mponina no nampandroso ny fambolena. Vatsaonjoe, 56 taona, dia isan’ireo olona 600 ao an-tanàna misitraka izany tombontsoa izany. « Ny rano vokarin’ity rafitra ity dia ampy ho an’ny fandanian’ny mponina ao anatin’ny fikambanana eto an-tanàna sy ny fambolena izay karakazain’izy ireo », hoy i Vatsanjoe, nahatsiaro maivamaivana. Afaka manasa tanana tsy tapaka sy misoroka aretina ny mpianatra ao amin’ny Sekolim-panjakana Ehavo, amin’ny alàlan’ny fitandroana ny fahadiovana.

Vatsaonjoe cultivant la terre dans le jardin potager du village d’Ehavo
UNICEF/UN0599410/Andrianantenaina
Vatsaonjoe mamboly ao amin’ilay zaridaina fambolena legioma ao amin’ny tanànan’i Ehavo
Persia recevant les médicaments de son fils au centre de santé
UNICEF/UN0595856/Andrianantenaina
Persia mandray ny fanafody ho an’ny zanany lahy ao amin'ny tobim-pahasalamana

Ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara dia mitaky fandraisana andraikitra maro sy fandraisan’ny rehetra anjara. Tamin'ny taona 2021, olona miisa 35.000, anisan'izany ny ankizy 22.500, no nisitraka ilay vatsy ara-bola isam-bolana ho an'ireo marefo indrindra. Afaka nividy fanafody sy sakafo i Persia (20) sy i Claudio zanany lahy (23 volana) noho io fanampiana io. Tsy mikely soroka ny UNICEF sy ny mpiara-miombon’antoka aminy ary manohy ny fanafainganana ireo fiatrehana vonjy taitra mba hanamafisana ny tohibelin’ny mponina sy mba hisitrahan’ny ankizy tsirairay any atsimon’i Madagasikara ny zony ho amin’ny fampandrosoana tsara.