Fiarovan-tena amin'ny tazomoka: ao anatin'ny hetsika fisorohana
-
Any atsimon’i Madagasikara, maherin’ny antsasa-manilan’ny trangana tazomoka no hita ao amin’ny faritra Anosy, Fort-Dauphin. Mba hanampiana ny mponina hiatrika ity aretina ity dia nisy ny hetsika fisorohana notanterahana.
Tamin'ny Desambra 2023 dia nirongatra ny tazomoka manaraka vanintaona. Tototry ny asa i Narindra Herifenitra, mpampivelona sady lehiben’ny Tobim-pahasalamana fototra II Ampasy Nahampoana. Nandritra ny herinandro maromaro dia efa nijery marary 75 mahery isan'andro izy. Ny ankamaroany, toa an'i Martino izay tena misaina ary mahataka-javatra tsara, dia voaporofon’ny fitiliana fa tratran’ny tazomoka ary mila fitsaboana.
Toy izany ihany koa ny tao amin’ny Tobim-pahasalamana fototra tao Manambaro izay namindrana an’i José, 5 taona, vao haingana. Voan’ny tazomoka mahery vaika izy rehefa avy nanao dokotera tena nandritra ny andro maromaro. Mipetraka any amin’ny tanàna anaovana dia an-tongotra maherin’ny adiny roa miala avy eo afovoan-tanàna ilay fianakaviana kely. Kisendrasendra fotsiny no nahatongavan’izy ireo tao satria nisy fianakaviana narary hafa no naterin’izy ireo tao ho tsaboina.
Tao amin’ny Tobim-pahasalamana fototra ao Analandravy dia natao fandraisana marary ihany koa ny fivarotam-panafody satria tena nihamaro ireo marary. Miandry ny anjarany i Tohizara, 3 taona, sy ny zandriny vavy, miaraka amin’ny reniny sy ny renibeny. Fantatra fa samy lasibatry ny tazomoka izy ireo.
Ho fiatrehana izany loza izany dia tanterahina mandritra ny efatra andro manerana ny distrika ny hetsika « chimioprophylaxie » na fanomezana fanafody hisorohana ny tazomoka. Havaozina in-telo izany, hatramin’ny volana martsa 2024 ho fiarovana ny ankizy 5 ka hatramin’ny 14 taona. Ao amin’ny Tobim-pahasalamana Fototra Ankaramena, vao avy nahazo taratasy firaketana sy rejistra ary fanafody i Deux Cents Premier, mpanentana ara-pahasalamana, 30 taona.
Tous ses intrants sont rendus disponibles grâce au soutien financier de UN Foundation à l’UNICEF, ayant permis de les acheminer auprès des centres de santé de base. La campagne de chimioprophylaxie de prévention du paludisme saisonnier équivaut en l’administration intermittente d’une dose préventive de médicaments afin d’offrir une immunité sur une période donnée. Elle est renouvelable sur trois ou quatre mois.
Ireo mpanentana ara-pahasalamana rehetra dia nihaona, nifanakalo hevitra ary nandray ny toromarika farany momba ny fanombohana ny vangivangy arahana dinika sy ny fizarana fanafody ihany koa.
Nanapa-kevitra ny hanao fitetezana isam-baravaravarana i Marcia, iray amin'ireo mpanentana ara-pahasalamana. I Rosine, renim-pianakaviana manan-janaka enina eo anelanelan'ny 6 volana sy 11 taona, dia manazava am-pitandremana tsara ireo dingana isan-karazany mahakasika ny fihinanana ireo pilina samihafa. I Mandova, zokiny indrindra, no voalohany nihinanana ny fanafody teo imasony.
Deux Cents Premier sy ny mpiara-miasa aminy kosa indray dia nisafidy ny hivory teo ambanin'ny hazo fitafatafana. Fenon’izy ireo ny taratasy ho an'ny ankizy tsirairay ary eo anatrehan'izy ireo no hihinan’ny ankizy ny fanafody.
Ireo mpanentana ara-pahasalamana dia ampian’ireo ekipan'ny UNICEF izay manamarina fa mandeha tsara araka ny tokony ho izy ilay hetsika. Fotoana fifanakalozan-kevitra sy fifampizarana izany mba handresen-dahatra ny mponina momba ny maha zava-dehibe ilay hetsika sy fanomezan-toky ny amin’ny fisian’ny fitsaboana eny ifotony.
Notanterahina ny faran’ny volana janoary 2024 ny dingana faharoa tamin’ny hetsika « chimioprophylaxie » na fanomezana fanafody fisorohana ny tazomoka manaraka vanin-taona. I Parfait, 6 taona, no anisan’ny voalohany nanaovana fanentanana mikasika ny dingana voalohany ary nandray ireo fanafody nandritra ny fitsidihan’ireo mpanentana ara-pahasalamana tao amin’ny tanànany tao Ambaniala - Kaominina Ampasy Nahampoana.