Faritra atsimon’ny Madagasikara : tapitra ve ny krizin’ny toetrandro?
Manakaiky ny COP27, raha toa ka miomana ny hiresaka momba ireo fandraisan’andraikitra lehibe momba ny fiovan'ny toetrandro ireo mpitondra maneran-tany, ny mponina any amin'ny faritra Atsimo kosa dia mbola miatrika haitany.


Mbola mitohy hatrany ny haitany sy ny tsy fahampian-drano any amin’ny faritra maro any atsimon’i Madagasikara. Ao Ambondro, ny tany dia ahitana ireo lavaka izay nohadian’ny mponina mba hitadiavana rano.

Eo amin’ny làlana mihazo an’Ambovombe, manenjika mameno rano ireo siny mavo ny mponina taorian’ny nilatsahan’ny orana.

Ny hatsiakan’ny ririnina dia tsy nahasakana ireto olona ireto ny hivoaka ny tranony sy haka rano, izay hita fa maloto anefa.

Any Maroalipoty, ny ankizy dia mandeha dimy kilometatra hatrany mba haka rano eny amin’ny fantsakana, alohan’ny handehanan’izy ireo any an-tsekoly.

Any Manambovo, somary mbola mianatsimo kely, tena mbola maina foana ny renirano ary mbola mihady tany hatrany ny mponina mba hitadiavana rano. Anisan’ny mahatonga ny aretim-pivalanana sy ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika amin’ny zaza ny fisotroana rano maloto.

Ny UNICEF sy ny mpiara-miombon’antoka aminy dia mampitombo ireo fandraisana an-tànana maika, toy ity fanaterana rano fisotro madio amin’ny fiarabe mankany Tsinava Avaratra ity. Nandritra ny tapany voalohany tamin'ny taona 2022 dia olona maherin'ny 624.000 no nahazo fanampiana tamin’ny lafin’ny rano, fanadiovana sy fidiovana.

Any Androimpano, napetraka ny toerana fakana rano, mandeha amin’ny herin’ny masoandro, mba hanamora ny andavan’androm-piainan’ny olona mahatratra dimy arivo.

Ny fametrahana ireo fotodrafitrasa sy tolotra mikasika ny rano izay mahatanty ny fiovaovan’ny toetrandro ireo, dia ahafahana mampihena ny fahafatesan’ny zaza.

Vinavinaina hahatratra eo ho eo amin’ny 479.000 ny ankizy ho tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ho an’ny vanim-potoana manomboka Mey 2022 ka hatramin’ny Aprily 2023 any amin’ny Faritra atsimo sy atsimo atsinanan’ny Nosy, araka ny fanadihadina farany mikasika ny tsy fanjarian-tsakafo.

Na dia anisan’ny firenena manana taha ambany amin’ny resaka famoahana gazy karbonika aza i Madagasikara dia mbola manimba ny tontolo iainana ihany koa ny fomba fanao toy ny fampiasana arina na doro tanety.

Mba hiantohana ny fiatrehana ny krizy sy mba hiantohana ny fiomanana amin'ny loza, mety hiharatsy noho ny hain-tany sy ny rivodoza, dia nanao antso avo fanangonana 40 tapitrisa dolara ny UNICEF entina mamaly izany filàna izany. Tamin’ny volana Jona 2022, 34% amin'io filàna io no voavaly tao anatin’izany antso izany.