Fanentanana momba ny COVID-19, tolona isan'andro
-

Ny tanànan'i Fort Dauphin, any amin’ny farany atsimon'i Madagasikara, dia tanàna kely azo lazaina hoe somary mitokana raha mitaha amin'ny hafa. Saingy mbola namely azy ihany ny valan’aretina, indrindra nandritra ny andiany faharoa tamin'ny volana aprily izay nahitana trangan’aretina sy fahafatesan'olona maro.
Charlot Rakotomalala, tanora mpanabe misahana ireo tanora mitovy aminy, dia nirotsaka an-tsitrapo niaraka tamin'ny tanora hafa mba hanentanana ny mponina mikasika ny ady amin'ny tsimok’aretina ao an-tanàna sy ny fepetra fisorohana mba hiarovan-tena manoloana izany. Roa amby roapolo no ho voafidy, ka izy sy ny namany hafa no voatendry ho mpanara-maso. Nahazo fiofanana momba ny votoatin'ny fanentanana sy ireo fepetra ara-pahasalamana manan-kery izy ireo. Raha vao mandray ny andraikiny ireo tanora ireo, amin'ny maha-mpilatsaka an-tsitrapo azy ireo, dia tsy mandray karama akory fa kosa mahazo fanoneram-bola mifandraika amin’ny fivezivezena ataony. Ity programa fanentanana ity dia tohanan'ny UNICEF ary vatsian'ny Fandaharan’asa Koreana misahana ny Fiaraha-miasa iraisam’pirenena (KOICA) vola.
Manakaiky ny vahoaka ireo tanora tanora ireo amin'ny alàlan'ny fitetezana isan-tokantrano eny amin’ny fokontany be mponina, na amin'ny alàlan'ny fandehanana eny an-tsena sy amin’ireny toerana be olona ireny. Matetika ireo tanora ireo dia mandeha tsiroaroa mandritra ny fanatanterahan’izy ireo ny asa fanentanana.
Vonona i Charlot tamin'io andro io. Nampidiriny ny t-shirt « Voyage au pays des droits de l’Enfant », adika malalaka hoe « Dia any amin’ny tanin’ny zon'ny zaza », nozaraina nandritra ny fotoam-panofanana, ho akanjo fiasana mba hahamora ny fahitana azy ireo rehefa manao ny asa fanentanana izy ireo, nefa koa izany dia mariky ny fanolorantenan'izy ireo ho an’ny zon’ny zaza. Aro-vava mipetraka eo amin’ny tarehy, gel hydroalcoolique anaty paosy, miaraka amin’ny zotom-po, izy dia hamonjy ilay mpanentana namany ho an’ny tontolo andro. Kanefa, tsy mora ny asa ny fanentanana. « Ny fahasarotana amin'ny asanay, » hoy izy, « dia satria mihaotra ny olona rehefa mahita anay. Matetika izy ireo dia milaza fa tsy manam-potoana ho anay. Fa ny zavatra mampidi-doza indrindra dia ny fanaovan’ny olona tsinontsinona ireo fihetsika sakana taorian'ny andiany voalohany, izay nitarika mora foana ny andiany faharoa. Ny mponin'ny faritra ambany dia nihevitra fa ny fihetsika sakana dia mihatra eny anivon’ny tobim-pahasalamana sy eny an-tsena irery ihany. » Charlot sy ilay mpanentana miaraka aminy dia nametraka tanjona mba hitsidihana tokantrano miisa 08 mandritra ny andro iray anaovan’izy ireo ilay fanentanana.
Nanomboka ny asan'i Charlot sy ny namany rehefa fantatra ny tranga voalohany tamin'ny andiany faharoa. Ny manampahefana teo an-toerana dia nahatsikaritra ity fahagoragoran’ny hetsika sakana ity teo anivon’ny fiaraha-monina ary nampifandray izany tamin’ny fidangan’ireo trangan’aretina. Ny fisian’ny vaovao manodidina ny mety ho fahatongavan’ny karazana tsimok’aretina vaovao dia nanafaingana ny fandraisana fanapahan-kevitra. Nisy vokany tsara io fandraisan’andraikitra vonjy taitra io, hoy Ramatoa Mireille Mathieu Andriamampianina, Talen’ny Serasera eo anivon’ny Sampan-draharaham-paritry ny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka (DRSP) any Taolagnaro: « Tena nihena be ny isan'ny trangana COVID-19 teto an-tanàna ary tsy misy karazana viriosy hafa hita. Saingy mitohy hatrany ny asan'ireto tanora ireto mba hanamafisana ireo hetsika sakana sy hanentanana momba ny vaksiny. »
Mirehareha i Charlot fa iray amin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo amin'ity fandaharan’asa fanentanana ity izay tohanan'ny UNICEF sy KOICA ity. Tena faly izy fa nahitana fiantraikany tsara azo tsapain-tanana teo amin'ny fiainan'ny olona ao an-tanànany ny asa filatsahana an-tsitrapo notontosainy. Ny faniriany dia ny mba hisian’ny fandaharan’asa hafa izay manasongadina ny fahaiza-manaon'ny tanora. Ary farany, manantena ihany koa izy ny hitsanganan’ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina mba tsy ho very amin'ny haditrana ireo tanora.