Fanaovazana ny sehatry ny fanabeazana miaraka amin’ny programa “Miverena any an-tsekoly sy mianatra”
Ny UNICEF sy ny mpiara-miombon'antoka aminy dia nampihatra ity programa ity izay mifanaraka amin'ny paikady maneran-tany entina miatrika ny krizy eo amin’ny lafin’ny fianarana eto Madagasikara.

Izay no izy; tonga ilay andro! Niroso tamin’ny fizarana “kits scolaires” ho an’ireo mpianatra ny sekoly fanabeazana fototra ao Lakovola, any avaratra andrefan’i Madagasikara. Maika tokoa ireo mpianatra nandray ny loka azon’izy ireo ary tao anatin’ny rivotra feno hafaliana izany. Rasoarimanga Farida, Talen’ny sekoly mivantana mihintsy no nanao ny fanolorana sady niantso ny mpianatra tsirairay. Samy nahazo ny fitaovana nahitana penina, pensilihazo, fandranitana pensilihazo, gaoma, kompà ary solaitra ny tsirairay amin’izy ireo. « Tena ilaina amin’ny fianarana ireo kojakoja vaovao ireo ary ho maivamaivana ny ray aman-dreninay raha mahita izany rehetra izany anio alina », hoy i Mamitiana, 12 taona.
Ny fanolorana ireo fitaovana ireo dia tafiditra ao anatin’ny programa « Miverena an-tsekoly sy mianatra », izay tohanan’ny UNICEF sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy, toy ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Any amin'ny firenena ahitana taham-pandaozana sekoly 20 isan-jato, ity programa ity dia natao hanohanana ny fiverenana sy ny fihazonana ny ankizy any an-tsekoly ary koa ny fanatsarana ny fianarany. Ampahany amin’io fandaharan’asa io fotsiny ny fizarana fitaovam-pianarana sy fitaovam-pampianarana ho an’ny mpianatra sy ny mpampianatra ary ny sekoly. Tsy izany tokoa mantsy fa miantehitra amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny fiarahamonina, ny ray aman-dreny ary ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fanabeazana, indrindra ny mpampianatra, io paik’ady io. Farida dia iray amin'ireo mpampianatra telo ao amin'ny sekoly izay nisitraka ny fiofanana momba io fomba fiasa io. « Ny fahaiza-manao azo mandritra ity fiofanana ity dia hampiharina amin’ny fomba fampianarana ary hanatsara ny fanaraha-maso ny mpianatra », hoy izy.
Mpianatra avy ao amin’ny sekolim-panjakana Marovoay (faritra Boeny), nampitaovana dabilio vaovao.

Ny sehatry ny fanabeazana mbola marefo
Eto Madagasikara, iray amin’ny ankizy roa no mahavita manapitra ny sekoly ambaratonga fototra ary iray amin’ny tanora dimy ihany no tonga hatrany amin’ny ambaratonga faharoa. Mpianatra miisa 227.000 sy mpampianatra 5.500 eny amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga voalohany sy kolejy ho an’ny fampianarana ankapobeny any amin’ny faritra 8 no misitraka ity programa ity. Eo koa ny fananganana kolejy ho an’ny fanabeazana ankapobeny efatra any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Androy. Izany dia mba hanomezana ny tanora fahafahana hianatra anaty toe-javatra tsara indrindra sy hampiroborobo ny fianarana taranja siantifika, miaraka amin'ny mpampianatra voaofana sy fitaovana mifanaraka amin'izany. Ny programa « Miverena any an-tsekoly sy mianatra » dia vatsian'ny mpamatsy vola maro; anisan'izany ny Hempel Foundation, Zonta International ary ny komity nasionalin'ny UNICEF (Danemark, Alemaina, ary Etazonia). Nisy koa ny famatsiam-bola vonjy taitra hafa nentina namerenana ny ankizy an-tsekoly taorian’ny fandalovan’ny rivodoza tamin’ny fiandohan’ny taona.
Ao Lakovola dia mahatratra 234 ny isan’ny mpianatra ao amin’ny sekoly tantanan’i Farida, izany hoe mihoatra 10 isan-jato fanampiny raha oharina tamin’ny isan’ny mpianatra tamin’ny taom-pianarana teo aloha. 66 isan-jaton’ny mpianatra no nahazo ny diplôma CEPE nandritra ny fanadinana ofisialy farany ary nitombo avo roa heny ny isan’ny mpianatra tao amin’ny T5 tamin’ity taona ity. « Mikendry taham-pahafahana 100 isan-jato izahay amin’ny fanadinana ofisialy CEPE manaraka. Hanao ny zava-drehetra hanatrarana izany izahay satria ny fiantohana ny fianaran’ny zanakay no fomba entinay mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenentsika », hoy i Farida namarana ny teniny.