Fahasitranana aorian’ny tsy fanjariantsakafo mahery vaika any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara
Tantaran’ny fianakaviana roa any amin’ny faritra Androy izay manan-janaka tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika


Kambana i Elysa sy Elysette (11 volana). Miara-monina amin’ny ray aman-dreniny sy ireo mpiray tam-po aminy enina mianadahy ao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Maroalipoty, any Atsimon’i Madagasikara (Faritra Androy) izy ireo. Iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika na koa ahiazana diso tafahoatra i Elysa. Torak’izany ihany koa ny kambana aminy saingy mbola amin’ny endrika antonony. Ny tsy fahampiana ara-tsakafo sy ny tsy fisian’ny rano fisotro madio no antony mahatonga ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika.

Tanàna iray eo amin’ny manodidina no misy an’i Maho (21 volana) izay ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika ihany koa. Satria mbola lasa naka rano any amin’ny vovo ny reniny dia miandry am-pahendrena ny reniny eo am-pofoan’ny rainy izy.

Lasibatry ny hain-tany vokatry ny hakelin’ny rotsakorana izay mbola hasarotin’ny tranga El niño iny faritra Atsimon’i Madagasikara iny. Ankoatra izay dia mbola naripaky ny tafiotra avy any Atsimo antsoina hoe « Tiomena » ihany koa ireo fambolena any amin’iny faritra iny. Ny fanaovana solomaso no mety ho vahaolana mahomby hiatrehana ilay rivotra mitondra jofon-tany matevina.

Sorena mafy i Sambo dadan’ny kambana mahita ny voly mangahazo naripak’io rivotra mitondra jofon-tany matevina io. « Lasa tsy maintsy hividy mangahazo izahay raha tokony efa hamokatra », hoy ny tenin’i Sambo, very hevitra.

Mangahazo 4 kilao isan’andro no tsy maintsy vidian’i Sambo hamahanana ireo olona 10 ao an-tokantranony. Araka izany dia tsy maintsy mivarotra rano, izay efa lasa haitraitra izy, na koa mivarotra kojakojan-tokantrano any amin’ireo olona any amin’ny tanàna manodidina ao anatin’ny fotoana faran’izay sarotra.

Soa fa betsaka ireo olona mandeha matsaka rano any amin’ny vovon’Ampasipoty, izay any amin’ny kilometatra maromaro miala avy eo an-tanàna. Samy mandray anjara avokoa ny rehetra ao anaty fianakaviana mantsy mba hahafahana mivelona.

Ao amin’ny tanàna iray hafa, dia indro i Toromasy (20 taona), renin’i Maho, manadio vilany sy lovia amin’ilay rano kely vao azony teo.

Ny fisotroana rano maloto, izay efa mitovy amin’ny lokon’ny sôkôla, no isany mahatonga ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny zanany. Io rano maloto io ihany koa no iray amin’ireo antony mahatonga ny fivalànana sy ny tsy fahampian-tsakafo.

Ankoatra izay, tsy misy afa tsy ravi-mangahazo no azon’ireo olona 5 ao an-trano hohanina. Manomboka tsy misy intsony ireo ravina ireo vokatry ny fiotazana azy matetika loatra, hahafahana mivelona.

Noho ny famatsiam-bola avy amin’ny ECHO sy ny fanampiana avy amin’ny UNICEF dia afaka misitraka fitsaboana, amin’ny alàlan’ny sakafo azo hoanina avy hatrany ireo zaza iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika. « Miharatsy hatrany ny toe-draharaha; soa ihany fa manana ireo vokatra ireo isika hahafahana miatrika izany, » hoy ny dokotera Tsida Randriatsiafara, feno ahiahy.

Maro ireo vehivavy sy ny zanany no tonga ao amin’ny tobim-pahasalamana Maroalipoty, manao fitsirihana ny tsy fanjarian-tsakafo sy manara-maso akaiky ny fahasalaman’ny zanany. Isan’ny tonga teo ry kambana ary lanjaina i Elysa hahafahana manara-maso ny fahasitranany.

Indrisy anefa fa tsy nitombo lanja i Elysa ary mbola manondro eo amin’ny faritra mena ny refin-tsandriny (« périmètre brachial »), izay midika fa tena mbola mahia izy. Ho tohizana ao amin’io tobim-pahasalamana io ny fitsaboana azy mandrapahazoany ny lanja ilaina mba hivoahana ao anaty tsy fanjarian-tsakafo.

Nanome savony ho azy ireo i Myriam, lehiben’ny tobim-pahasalamana, hiarahabana sy hampaherezana azy ireo hanohy ny ezaka mba tsy hiverenana amin’ny zava-nisy teo aloha. « Tena mahafaly ahy tokoa ny mahita zaza iray sitrana. Manentana hatrany ireo ray aman-dreny aho hanaraka tsara ny fitsaboana eo anivon’ny tobim-pahasalamana, » hoy Myriam, izay mazoto fatratra ery rehefa ny fitsaboana ny zaza no resahana.

Samy mamonjy ny fodiany ny fianakaviana tsirairay ary mahatsapa ho maivamaivana ery. Na izany aza anefa dia mbola ahitana ahiahy ihany eny amin’ny endrik’izy ireo manoloana ny zava-misy sy ny zavatra mety hiseho any aoriana any.