Fahafahana mahazo tombontsoa dimy ho an'ny ankizy mila araraotina haingana

Taratasy misokatra manazava izay mahatonga ahy hino fa afaka mamorona tontolo tsaratsara kokoa ho an'ny ankizy tsirairay aorian'ny COVID isika.

Henrietta Fore - Tale Jeneralin'ny UNICEF
Espoir
UNICEF/UN0311822/Andrinivo
25 Febroary 2021

COVID-19 no krizy tena nanenika izao tontolo izao ary natrehantsika teo amin’ny fahavelomantsika. Voakasik’ilay areti-mandringana avokoa ny mponina manerantany, ary indrindra ny ankizy. An-tapitrisany maro izy ireo no tsy afaka misitraka ny tolotra ara-pahasalamana fototra, fanabeazana ary fiarovana, satria teraka tao anaty fahantrana izy ireo na satria sahirana noho ny foko nihaviany, fivavahana na firazanana. Nampitombo ny tsy fitoviana ny valan’aretina COVID-19, ary tsy maintsy ho taona maro no ilaina handresena ny fiantraikany ara-tsosialy, ara-toekarena ary ara-pahasalamana, ka hanohintohina ny zon'ny ankizy izany.

Tsy fotoana tokony hatahorana na hampilavo lefona kosa anefa izao, eo anatrehan’ny fanamby toy ity. Ny tsingerintaona faha-75 an'ny UNICEF, izay manomboka ankalazaintsika ankehitriny dia mampatsiahy antsika fa ity fikambanana ity dia niforona tao anatin'ny krizy manan-tantara iray hafa taorian'ny Ady Lehibe Faharoa. Tamin'izany andro izany, ireo olana natrehin'ireo ankizy tao anatin'ny tontolo iray ravan'ny ady dia tena mankadiry tokoa ka mora ny nihemotra teo anoloan’ilay asa niandry. Saingy isika dia nanarina indray izay afaka nanaovana izany. Natsangatsika ny rafitra ara-pahasalamana sy ho fiahiana ara-tsosialy vaovao manerana an'izao tontolo izao. Nofongorintsika ny nendra. Naorintsika ny Firenena Mikambana.

Mila antsika indray ny tantara. Tao anatin'ny krizy goavana manerantany teo aloha, nanomboka tamin'ny ady ka hatramin'ny areti-mandringana, dia nivory ny mpitarika eran’izao tontolo izao mba hiray hina entina manao fifampiraharahana sy fifanarahana, hahafahana mitady izay fomba vaovao hamerenana amin'ny laoniny ny fandriam-pahalemana, mitraka sy manao fanarenana ary mametraka fiaraha-miasa.

Mila mampivondrona izao tontolo izao manodidina drafitra mivaingana iray isika mba hiarovana ny zanatsika, toy ny fampanantenana ataon'ny taranaka misy antsika amin’ireo taranaka aorina mikasika ny fampiasam-bola amin'ny sehatry ny fahasalamana sy ny fanabeazana, fanamafisana ny rafitra sy tolotra maharitra, fanomezana antoka fa ho afaka hisitraka izany ny ankizy rehetra, ary fiantohana fa ny fihenan’ny teti-bola sy ny fiovan’ny toe-draharaha ara-toekarena dia tsy hiteraka voka-dratsy ho azy ireo.

Na dia tsapantsika tokoa aza ny halehiben'ny fanamby atrehin'ny ankizy manerantany dia azontsika atao ny mitady tombontsoa avy amin’ny lasantsika mba hahafahana mandroso miaraka, amin’ny alàlan’ny fanehoana firaisankina, fanirian-daza ary fahatokisana amin'ny ho avy.

Tsy hiverina amin'ny laoniny ny raharaha. Ho an'ny ankizy an-jatony tapitrisa eran'izao tontolo izao dia tsy azo ekena, na izany na tsy izany, ny fiainana nahazatra azy ireo.

Navoitran’ny valan’aretina COVID-19 ireto zavatra azo tanterahina miisa dimy ireto ho tombontsoan’ny ankizy manerantany ary koa lesona dimy nasongadin’ireo tanora mikasika ny fomba ahafahantsika mamorona tontolo tsaratsara kokoa ho an'ny ankizy.

Araka ity hitantsika amin'ity rohy ity sy ireto manaraka etsy ambany ireto.

Vaccination
UNICEF/UN0383972/Ralaivita

Mila mametraka tontolo anaty fifampitokisana isika hiantohana ny fanaovana vaksiny mahomby.

Ny tantara sy ny siansa dia mampiseho amintsika fa ny vaksiny no fanantenana tsara indrindra ho antsika mba hanafoanana ity otrik’aretina ity ary hahafahantsika miarina indray.

Na izany aza, araka ny ampahatsiahivin'i Ridhi antsika dia tena atahorana tsy hipaka any amin’ireo olona rehetra tena mila ny vaksiny fanefitry ny COVID-19 izany.

Ny tsy fahatokisana ilay vaksiny dia hisy fiantraikany lehibe amin'ny fahafahantsika miatrika ny krizin’ny COVID-19. Tamin'ny fanadihadiana natao teo amin’ny olon-dehibe 20 000 tao amin'ny firenena 27, olona 1 amin'ny 4 no nilaza fa tsy hanaiky hatao vaksinin'ny COVID-19. Araka ny fanadihadiana mitovy notanterahina tamin’ny mponina Amerikanina dia tsapa fa ny tsy fisian'ny hafatra mazava sy mitombina ampitain'ny tompon'andraikitra eo amin’ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka sy ny mpanao politika dia mety hampihena ny faneken’ny olona hampiasa ilay vaksiny.

Mandritra izany fotoana izany, ny fiparitahan'ny vaovao tsy marina momba ny fanaovana vaksiny dia mitombo tokoa ary lasa tarehin-javatra misy mpanararaotra izay tsy izy. Ireo mpandraharaha manohitra ny fanaovam-baksiny dia nahazo mpijery an-tserasera farafaharatsiny 20% nandritra ny areti-mandringana. Araka ny filazan'i Avaaz, ireo tranonkala folo lehibe indrindra izay heverin’ireo mpikaroka fa tompon'andraikitra amin'ny fanaparitahana vaovao tsy marina momba ny fahasalamana dia nahitana mpitsidika amin’ny Facebook farafaharatsiny avo-efatra heny noho ireo  tranonkala malaza eo amin’ilay sehatra.

Raha fintinina dia very toerana marobe isika ankehitriny amin'ny resaka fitokisana. Kanefa, raha tsy misy fahatokisana dia tsy ilaina mihitsy ny hetsika fanentanana momba ny vaksiny fanefitra amin'ny COVID-19 na dia iray monja aza. Ny fanapariahana ny vaksinin'ny COVID-19 manerantany dia ahafahantsika manome toky fa ny ankizy tsirairay dia hahazo vaksiny afaka hanavotra ny ainy. Ny jiro amin'ny faran'ny tonelina dia mila mamirapiratra ho an'ny rehetra.

Ny tokony hataontsika:

Vaksinin'ny COVID-19 maromaro no novolavolaina. Azontsika atao izao ny mirotsaka an-tsehatra amin'ny tolona lavitr’ezaka sy sarotra izay mikendry ny hanafoanana ity tsimok’aretina miparitaka manerantany ity amin'ny fomba marina sy ara-drariny, amin'ny alàlan'ny fanomezana ireo vaksiny ireo ho an’ny olon-drehetra, anisan'izany ireo mahantra indrindra sy ireo voahilika indrindra.

Efa mandeha tsara ny fanomanana. Ny UNICEF dia mpikambana mavitrika ao amin'ny Groupe des partenaires de la garantie de marché (AMC) ao anatin’ny rafitra COVAX, izay rafitra fiaraha-miasa manerantany hiantohana ny fahazoana ny vaksinin'ny COVID-19 eran’izao tontolo izao, amin’ny fomba marina sy ara-drariny. Midika izany fa atao izay ahazoana antoka fa tsy misy firenena na fianakaviana voahilikilika rehefa vonona ilay vaksiny. Mba hahatratrarana izany tanjona izany dia hikarakara ny fividianana vaksinin'ny COVID-19 izahay ary hampiasa ireo fotodrafitrasa misy mba  hanamorana ny fanaparitahana izany amin'ireo faritra mitoka-monina indrindra, na eo aza ny fanamby ara-pitaovana aterak'izany. Ny governemanta dia tokony miasa miaraka mba hahatonga ny vaksinin'ny COVID-19 ho mora vidy sy azo sitrahina any amin'ny firenena rehetra.

Kanefa, satria ny fahatokisana no singa manan-danja indrindra amin'ny vaksiny rehetra, ny UNICEF dia mandray fepetra hafa iray lehibe ihany koa amin'ny alàlan’ny fanatanterahana hetsika fanentanana an-tserasera manerantany, entina manamafy ny fanohanan’ny daholobe sy manentana eny an-toerana momba ny maha-sarobidy sy ny fahombiazan’ny fanaovana vaksiny.

Manana andraikitra lehibe ny orinasa ao anatin’ny sehatry ny teknôlôjia ary nandray ny dingana voalohany lehibe hiatrehana ny fiparitahan'ny vaovao diso mampidi-doza ao amin'ny sehatr'izy ireo. Tamin'ny volana oktobra, nanambara ny fandrarana ny doka manerantany izay mamporisika ny mpikirakira aterineto tsy hanao vaksiny i Facebook. Fotoana fohy taorian'izay, YouTube dia nandray fepetra manoloana ireo votoatiny manohitra ny fanaovam-baksiny ka namono horonantsary izay misy fampahalalana diso mikasika ny vaksinin'ny COVID-19. Tsy tokony hijanona eo isika. Ny tambajotra sosialy dia tokony handray andraikitra mba hamantarana sy hanesorana ireo lahatsoratra manodinkodina ny marina.

Ny tsy fahatokisana ny vaksiny dia tsy mahakasika ny COVID-19 fotsiny akory. Tamin'ny taona 2019, nihevitra ny OMS fa izany dia iray amin'ireo zava-mampidi-doza folo lehibe indrindra amin'ny lafin’ny fahasalamana manerantany. Saingy, raha tsy misy fahatokisana, ny vaksiny dia tavoahangy tsotra vidiana amin’ny vidiny tena lafo ary manangona vovoka any amin'ny tobim-pahasalamana.

Accès au numérique
UNICEF/UN015588/Prinsloo

Ny famahana ny olana mahakasika ny hantsana nomerika dia mety hanamora ny fahazoan’ny rehetra  fanabeazana tsara kalitao.

Manana ny rariny i Kamogelo. Rehefa nahatratra ny faratampony ny fanidiana ireo sekoly tamin'ny fiandohan'ny taona 2020 dia manodidina ny 30% amin'ireo ankizy mpianatra manerantany no tsy afaka nahazo fianaran-davitra. Raha ny marina, mihoatra ny antsasaky ny tokantrano fotsiny ihany amin'ny ankamaroan'ny firenena no misitraka aterineto.

Saingy ny ankizy voakasik'izany dia efa ireo izay tsy dia mahazo fanabeazana ara-kalitao. Ny fahalalana fa maherin'ny 50%-n’ny ankizy 10 taona monina any amin'ny firenena manana fidiram-bola ambany sy antonony eny amin'ny taona farany amin’ny fanabeazana fototra no tsy mahay mamaky teny na mahatakatra lahatsoratra tsotra, dia taratry ny krizy manerantany amin’ny lafin’ny fampianarana. Ary raha tsy mampihena io hantsana nomerika io isika dia ho lasa anjorombala ireo vondrona tanora izay tena mitombo haingana ireo.

Mahatonga ny raharaha ho maika kokoa ny COVID-19. Manana fahafahana tsy manam-paharoa isika ankehitriny mba hampidirana ny ankizy sy ny sekoly tsirairay amin’ny aterineto, mba hanolorana  fitaovana nomerika vaovao entina manampy azy ireo amin’ny fahaiza-manao ilaina hanatanterahana ny heriny rehetra mety ho vitany, mandritra sy aorian'ny krizin’ny COVID-19.

 

Ny tokony hataontsika:

Voalohany, tokony ho raisin’ny fanjakana ho laharam-pahamehana ny fanokafana ireo sekoly ary tokony handray izay fepetra rehetra ilaina izy ireo mba hanokafana ny toeram-pianarana am-pitoniana.

Kanefa ity fotoam-pitsaharana lehibe eo amin'ny fianarana ity dia fotoana iray ihany koa handinihana ireo tolotra amin’ny sehatry ny fanabeazana.

Ny hetsika tanterahin’ny UNICEF antsoina hoe « Réinventer l’éducation » dia manavao ny fahalalana sy ny fampivoarana ny fahaiza-manao mba hiantohana fanabeazana tsara kalitao ho an'ny ankizy tsirairay amin'ny alàlan'ny fampianarana ampitain-davitra, fifandraisana amin'ny alàlan’ny aterineto, fitaovana sy fahazoana angon-drakitra amin’ny sarany mirary ary ny fanentanana ny tanora. Tanjonay ny hahatratra ankizy sy tanora 500 tapitrisa amin'ny faran'ny 2021, ary 3,5 miliara amin'ny taona 2030. Notanterahina niaraka tamin'ny mpiara-miombon'antoka am-polony avy amin'ny sehatra tsy miankina sy ny governemanta, ity hetsika ity dia miainga amin'ny fanapariahana boky fampianarana any amin'ireo tanàna mitokana, hatrany amin’ny fanohanana fandaharana miompana amin’ny fanabeazana alefa amin’ny fampielezam-peo, ary mandalo amin'ny fametrahana fitaovana isan-karazany hahazoana fanabeazana eny amin'ny sehatra mahavantana ny ankizy (SMS, vondrona WhatsApp, podcast sns.).

Ny fitaovana nomerika dia mety hanova tanteraka ny fandehan-javatra. Ny fitambaran’ireo fitaovana maneran-tany an’ny UNICEF ho an’ny fianarana ampitain-davitra dia manitatra ny fazahoana fahaiza-manao fototra, azo afindra, matihanina ary nomerika ho an'ny olona marefo indrindra sy sarotra tratrarina indrindra. Ohatra, miara-miasa amin'i Microsoft izahay amin'ny « Passeport pour l’apprentissage », sehatra iray izay ahafahana mahazo fandaharam-pianarana amin'ny fiteny maro anaty aterineto sy ivelany, eny fa na amin'ny fotoan-tsarotra aza; miara-miasa amin'ny Khan Academy izahay amin'ny fampiroboroana ny fahaiza-manao fototra, nomerika ary STIM; manolotra programa nomerika izahay izay mampianatra ireo mpitsoa-ponenana sy mpifindra monina ny fiteny amin’ilay tany mampiantrano azy ireo, hahafahan'ireo olona ireo miditra amin'ny rafi-pampianarana sy ny tsenan'ny asa; ary miasa miaraka amin'ny The Age of Learning Foundation ihany koa izahay mba hanomezana mpianatra maherin'ny 180 000 eran'izao tontolo izao fomba entina miomana amin’ny fidirana an-tsekoly, mianatra mamaky teny sy manoratra ary manisa ka maimaimpoana izany.

Na izany aza, tokony hiaraka amin’ny fampiasana ireo fitaovana entina mianatra ny fampiasana aterineto. Araka izany dia mandray anjara amin’ilay hetsika GIGA miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka miankina sy tsy miankina izahay hiantohana fa afaka hampiasa aterineto ireo ankizy sy ny vondrom-piarahamonina ary ny sekoly rehetra any amin’ny taona 2030.

Ao anatin’izay ihany, vao tsy ela izahay no nanomboka fiaraha-miasa maneran-tany miaraka amin’ny Ericsson entina mamantatra ara-jeografika ny fifandraisana amin’ny aterineton’ny sekoly any amin’ny firenena miisa 35 amin’ny faran’ny taona 2023. Dingana mandroso lehibe tokoa izany hahafahan’ny ankizy misitraka ireo tolotra omen’ny fampianarana ao amin’ny aterineto.

Araky ny fampahatsiahivana nataon’i Kamogelo dia afaka mampivoatra tsara ny fianarana sy ny fampandrosoana ny fahaiza-manao ho an’ny taranaka faramandimby isika raha trandrahana ny herin’ny vahaolana nomerika amin’izao fotoana manan-danja izao.

Nisarika ny saina hifantoka amin’ny fahasalamana ara-tsain’ireo tanora manerana izao tontolo izao iny COVID-19 iny.

Marina ny an’i Tulika :  Olana iray tsy azo tsinotsiniavina ny fahasalamana ara-tsaina izay mifanindry an-dàlana amin’ny fahasalamana ara-batana ihany. Izany indrindra ny zavatra miseho mandritra ny fahazazana sy eo amin’ny taona fialana sakana. Eo isika no mametraka ireo vato fehizoro voalohan’ny fivelaran’ny saina, ny fahafahana miana-javatra mandritra ny fiainana iray manontolo, ny fifehezana ny fihetseham-po sy ny fiatrehana ny rarin-tsaina.

Santé mentale
UNICEF/UN0263292/Ramasomanana

Eto ihany koa dia mbola nipoitra tao anatin’iny valan’aretina iny fa marefo ny ankizy sy ny tanora.

Manerana izao tontolo izao dia hita fa nanakorontana ny fiainan’ny ankizy ny COVID-19, nanembatsembana ny fiainany andavanandro izay nahitany filaminana, toy ny hoe mandeha mianatra sy milalao any an-tokotany. Nanakana ireo zatovo tsy hifanerasera amin’ireo namany sy ireo olona ao anaty tambajotran-tserasera ny fihibohana. Izany anefa dia dingana lehibe eo amin’ny fiainany. Ankoatr’izany, nanery ireo zaza iharan’ny herisetra, voailikilika sy nanaovana toetra tsy zaka hihiboka miaraka amin’ny mpanao herisetra taminy ny fihibohana, ka tsy nahazoan’izy ireo ny fanampiana ilainy toy ny tamin’ny teo aloha tamin’izy ireo mbola afaka mamonjy ny sekoly sy mbola afaka nitaraina tamin’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina. Nanembatsembana ary nanakana mihitsy ny fanomezana ireo tolotra ara-pahasalamana fototra eo amin’ny lafiny ara-tsaina tamin’ny 93%-n’ny firenena ny fisian’ny COVID-19.

Vao mainka nanampy trotraka ny toe-javatra efa mampanahy ny vokatry ny COVID-19. Tao anatin’ny taratasy nosoratako voalohany dia nilaza aho fa mampanahy ahy tokoa ny fikorotanana ara-tsaina mahazo ireo zaza sy tanora latsaky ny 18 taona, taona izay manan-danja tokoa eo amin’ny fitombon’ny ankizy. Mipoitra alohan’ny faha-15 taona ny antsasan’ny fikorontanana ara-tsaina ary 75% no mivoaka mialohan’ny fahalebiazana. Ny 800 000-n’ireo famonon-tena isan-taona dia tanora avokoa ary ny fanapahana ratsam-batana no antony faharoa mahatonga ny fahafatesana eo amin’ny ankizivavy 15 hatramin’ny 19 taona.

Indrisy fa betsaka ireo zaza sy tanora izay tsy mitady fanampiana noho ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana manodidina ny fitondrana amin’ny fomba ratsy sy ny fikorontanana ara-tsaina. Tsy ampy ihany koa ireo famatsiam-bola omena ireo toeram-pitsaboana aretin-tsaina manerana izao tontolo izao ka lasa mila mandeha lavidavitra kokoa ny fanjakana. Any amin’ireo firenena izay kely fidiram-bola dia latsaky ny 1% ihany ny tetibola atokana ho an’ny fahasalamana ara-tsaina.

Saingy raha mijery ny olana manandrify ny fahasalamana ara-tsain’ny zaza sy ny ankizy isika dia mitarika antsika hiresaka momba ny fahasalamana ara-tsaina misy eo amin’ny olon-dehibe miaraka amin’ny ankizy ihany koa ity valan’aretina ity, ary hiresahana bebe kokoa mahakasika izany.

Ny tokony hataontsika :

Mangataka fanampiana bebe kokoa ireo tanora toa an’i Tulika ary tokony hihaino ny fitarainan’izy ireo  isika.

Misy fanjakana tena manao izany. Any Bangladesh sy Georgie ary Inde ohatra dia tena manome ny fahalianana rehetra ilain’ny ankizy sy ny fanampiana ilainy ireo olona mandray antso maimaim-poana, hahafahan’ireo ankizy ireo mandefa fitarainana. Ny servisy Childline any Inde dia nahazo antso miisa 92 000 izay nangataka fiarovana ho an’ny ankizy manoloana ny fitondrana amin’ny fomba ratsy sy herisetra nandritra ny 11 andro voalohany nilazana ny fihibohana vokatry ny COVID-19 ; izany hoe fiakarana nahatratra 50%. 

Any Kazakhstan kosa, firenena iray anisan’ny ahitana ny tahan’ny famonoan-tenan’ny ankizy miala sakana ambony indrindra maneran-tany, dia nanokatra sehatra hanaovana fanaraha-maso isam-batan’olona amin’ny aterineto ho an’ireo adolantsento ny UNICEF ny volana aprily 2020. Mbola nanoso-kevitra ireo manam-pahaizana amin’ny fahasalamana ara-tsaina ihany koa ny UNICEF mikasika ny fampiofanana sy ireo loharano ara-pedagojia hifehezana ny fitaintainana sy ny rarin-tsaina ary fisalasalana azo avy amin’ny COVID-19. Psikôlôgy maherin’ny 5 000 sy manam-pahaizana manodidina ny fahasalamana ara-tsaina no nomena fiofanana nadritra ny 3 volana monja. Misy tetikasa hafa tanterahina ao amin’io firenena io izay mamporisika ny fifandraisan’ny adolantseto anaty fiarahamonina, amin’ny alàlan’ny fifanampiana sy ny firesahana amin’ny ray aman-dreniny, ao anatin’ny ezaka mifantoka amin’ny fifampihainoana sy ny fiheverana manokana. Atao mifanindran-dalana amin’izany ihany koa ny fanamafisana hatrany ny fanaraha-maso sy ny fanampiana mba hamongorana tanteraka ny henatra mifandraika amin’ny fahasalamana ara-tsaina.

Toa izay ihany, betsaka ireo fikambanana manerana izao tontolo izao no miara-miasa amin’ny tanora, ao anatin’ny fidirana an-tsehatra sy fanentanana izay nahitam-bokatra, mba ho lasa zavatra mahazatra ny fangatahana fanampiana amin’ny resaka fahasalamana ara-tsaina. Ohatra akaiky : Nijanona ny fanavakavahana mifandraika amin’ny fahasalamana ara-tsaina any Royaume-Uni vokatry ny ezaka nataon’ny « Time to Change », ary niara-niasa tamin’ireo mpampianatra, talen-tsekoly sy mpianatra izy ireo nahafahana nanokatra resadresaka, niady tamin’ny henatra, ary nanampy ireo tanora.

Mila mandeha lavidavitra kokoa isika : mila manokana ny tetibola tena ilaina amin’izany olana izany ny firenena rehetra. Mila itarina ihany koa ireo servisy misahana ny fahasalamana ara-tsaina, ary mila hamafisina ny fanampiana atolotra ireo tanora eny amin’ny fiarahamonina sy any am-pianarana. Amporisihana ihany koa ny fampianarana ireo ray aman-dreny mba hahafahan’ireo zaza avy amin’ny fianakaviana marefo misitraka ny fanampiana sy ny fiarovana ilain’izy ireo ao an-tokantrano.

Enfants marchands
UNICEF/UN0340253/Ralaivita

Tsy manavakavaka toy ny fiarahamonina misy antsika ny COVID-19

Nahakasika ny mponina rehetra maneran-tany ny valan’aretina saingy tsy nitovy ny fiantraikany tamin’ny tsirairay. Tany amin’ny firenena maro dia antony nahatonga ny fandehan-javatra hiharatsy ny firazanana sy ny lokon’ny hoditra ary ny toe-bolan’ny olona. Any Etazonia ohatra dia manana firazanana afro-amerikana ny 13%-n’ny mponina. Ny iray am-pahefan’ny fahafatesana vokatry ny COVID-19 nefa dia avy amin’io antokon’olona io ary avo efatra heny ny tataon-doza mety hahafaty azy vokatry ny COVID-19 raha mitaha amin’ny olona fotsy.


Manerana an'izao tontolo izao, ny mpiasa eny amin’ny lohalaharana, ny mpiasa amin’ny sehatra fototra, ny mpikambana ao amin'ny foko vitsy an'isa, ary ny olona sahirana na marefo dia efa tandindomin-doza tokoa: mety ho tratran'ny otrik’aretina kokoa izy ireo ary noho izany dia azo inoana fa ho lasibatr’ilay aretina, sady kely ny ny fahafahany misitraka fikarakarana sy fitsaboana. Kanefa, izany toe-javatra izany dia mampidi-doza antsika rehetra. Na manan-karena ianao na mahantra dia atahorana harary ianao raha voan'ny aretina ny mpiara-monina aminao. Na iza na iza dia mety ho tratran’io aretina io raha tsy mitady vahaolana ho antsika rehetra isika.

Ankoatr'izay dia mitombo izay tsy izy ny fahantrana. Araka ny tombatombana maneran-tany, ny isan'ireo ankizy miaina ao anaty tokantrano ripaky ny fahantrana ara-bola dia mety ho tafakatra 142 tapitrisa hatramin’ny faran'ny taona 2020.

Saingy mihoatra ny fahasalamana ny vokatry ny fahantrana. Ny zaza sahirana indrindra dia tsy ireo izay tsy afaka miaro tena amin'ny otrik’aretina indrindra ihany, fa koa ireo izay tsy afaka misitraka indrindra ireo fitaovam-pianarana sy tolotra momba ny fampianarana ampitain-davitra ary ny fitaovana fanasana tanana. Ny ankizy iharan'ny krizy amin’ny maha-olona dia atahorana kokoa.

Tsy vitan'ny hoe miaina ao anaty fahantrana avo roa heny mihoatra ny olon-dehibe ny ankizy, fa mety hiharan'ny vokany tsy azo ivalozana mandritra ny androm-piainany izy ireo. Mahalana ny ankizy no manana fahafahana faharoa hisitraka ny sakafo mahavelona amin'ireo andro voalohany eo amin’ny fiainany, fanabeazana ara-kalitao na fikarakarana ara-pahasalamana mendrika izay hahafahan'izy ireo miaina sy mitombo ary mivelatra. Raha tsy manao na inona na inona isika dia mety haharitra mandritra ny androm-piainana ireo voka-dratsy ireo.

 

Ny tokony hataontsika:

Araka ny filazan'i Clover azy tsara, ny ankizy sy ny tanora dia tsy hoe tsy afa-manoatra. Mila mahazo antoka isika fa ny ankizy tsirairay dia manana fahafahana mandray anjara ara-tsosialy ary tsy misy olona tavela, na lahy na vavy, na inona na inona firazanany, foko fihaviany na fivavahany. Tokony havaozintsika ny fanolorantenantsika hanafoana ny tsy fitoviana sy ny fanavakavahana. Araka ny nolazain'ny sekretera jeneraly António Guterres tamin'ity taona ity, tsy vitan’ny hoe mila karazana politika vaovao momba ny fiahiana ara-tsosialy fotsiny isika, fa mila ihany koa miady amin’ny fanavakavahana lalina mifototra amin'ny miralenta, firazanana na foko amin'ny alàlan'ny fandaharan’asa sy politika voakendry.

Betsaka loatra ny ankizy no tsy afaka misitraka tolotra fototra izay toa tsy raisina an-tanana. Ohatra, ny rano madio sy savony dia zava-dehibe amin'ny fisorohana ny fihanaky ny COVID-19 sy ny aretina hafa. Fitaovana vaovao, toy ny fitaovam-panasan-tanana azo entina mandehandeha atso tsahina amin'ny tongotra mba hisorohana ny fikasohan’ny tanana amin'ny faritra hafa no napetraka eny amin'ny tsena, tobim-pahasalamana ary sekoly any Ekoatera sy any amin'ny firenen-kafa entina miaro ny ankizy amin'ny otrik’aretina sy ny bakteria.

Ny fandaharan’asa fiahiana ara-tsosialy, ao anatin'izany ny fandefasana vola, dia mety ho fitaovana lehibe tsy hanampiana ny fianakaviana amin’ny fivelomany anatin’ny fotoana fohy ihany akory, fa hiadiana misimisy ihany koa amin’ny tsy fitoviana. Ny fanatanterahana izany dia amin'ny alàlan'ny fanomezana azy ireo ny fomba handefasana ny ankizy any an-tsekoly sy eny amin’ny tobim-pahasalamana, hividianana sakafo mahavelona ary hanenana ny isan’ireo ankizy miasa. Miara-miasa amin'ny governemanta amin'ny firenena miisa 115 ny UNICEF ho fanohanana ny fanitarana ny programa fiahiana ara-tsosialy ao anatin'ny drafitra entina miatrika ny COVID-19 sy ny fanarenana.

Ny traikefa tamin'ny krizy tany aloha dia mampiseho ny tombony lehibe azo avy fametrahana ho  laharam-pahamehana ny fampiasam-bola amin’ny fidirana an-tsehatra ara-tsosialy, na dia amin'ny fotoana fitontongan’ny toe-karena aza. Na dia miezaka miaro ny olom-pireneny amin'ny fiantraikan’ny COVID-19 aza ireo fanjakana, dia tokony hanakana ny fihenan'ny fampiasam-bola amin'ny tolotra ara-tsosialy rehetra izy ireo ary miantoka ny fampiasana amin’ny fomba mahomby ireo loharano ananany mba hitazomana izany servisy izany.

Sécheresse dans le Sud de Madagascar
UNICEF/UN0407865/Andrian

Ny fiovaovan'ny toetr'andro dia krizy manerantany hafa tsy azo tsinontsinoavina ihany koa.

Ny COVID-19 dia naneho tamintsika fa ilaina ny vahaolana manerantany hamahana olana iray mahakasika ny planeta iray manontolo. Lasibatry ny fiovan'ny toetr'andro kokoa noho ny hafa ny ankizy. Tena mahatsapa fiovana izy ireo amin'ny fiovan'ny rivotra iainany, ny rano sotroiny ary ny sakafo hohaniny. Fantatsika fa ny ankizy dia mora tohina noho ny tsy fahampian'ny rano sy ny tsy fahampian'ny sakafo izay mampidi-doza amin’ny ain-dehibe, ny aretina mifandraika amin’ny rano, ary ireo vokatry ny fiovan'ny toetr'andro. Ary araka ny zava-mitranga ankehitriny, ao anatin'ny 20 taona monja, zaza 1 amin'ny 4 eto ambonin’ny tany no honina any amin'ny faritra ahitana rano tena voafetra tokoa. Isika olon-dehibe dia tompon'andraikitra amin'ny toe-java misy mikasika ny planeta izay avelantsika ho an’ny zanatsika.

Raha tsy raisintsika an-tànana io olana io dia hitombo hatrany ny tsy fitoviana. Mandrapahatongan’ny taona 2050, ny fahavoazana mitambatra mifandraika amin'ny fiovan'ny toetrandro dia ahiana hitombo hatramin'ny 8 tapitrisa dolara amerikana, izany hoe hampihena 3% ny harin-karena faobe ary hampahantra bebe koka ireo faritra mahantra indrindra. Raha tsy misy ny fandraisana andraikitra avy hatrany avy amintsika dia olona maherin'ny iray miliara no ahiana ho voaroaka mandritra ny 30 taona ho avy vokatry ny fitomboan'ny fifindra-monina ateraky ny krizy ara-toetrandro, ny loza voajanahary ary ny fifandonana mitam-piadiana, izay hisy fiantraikany lehibe amin'ny fampandrosoana any amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana sy ny firenena mandroso.

 

Ny tokony hataontsika:

Mifanaraka amin'ny drafitra fanarenana sy fiatrehana ny COVID-19, isika dia tokony handray fepetra feno fahasahiana hamahana haingana ny fiovan'ny toetr'andro sy ny fahasimban'ny tontolo iainana.

Ilaintsika ny fandaharan’asa fanarenana ataon'ny fanjakana izay manome vahana ny fomba hampihenana ny karibôna. Mila fandrindrana ihany koa isika mikasika ny hetsika manerantany miaraka amin'ireo fidirana an-tsehatra eny an-toerana ho an’ny firenena tsirairay. Efa fantatsika fa misy ny vahaolana: fanamafisana ny tohi-bely amin'ny fiovan'ny toetr'andro sy ny voina mifandraika amin’ny famatsian-drano, ny asa fanadiovana sy ny fidiovana; fampiroboroboana ny fianarana manana tohi-bely ao anaty tontolo azo antoka sy manaja tontolo iainana; fiantohana tolotra ara-pahasalamana mora ampiasaina manoloana ny fiovan'ny toetrandro sy ireo loza; fampihenana ny fandotoana ny rivotra, ny tany ary ny rano; fanentanana ny tanora amin’ny maha-solontenan'ny fanovana azy ireo ary fanasokajiana azy ireo ho toy ny mpiara-miombon'antoka amintsika amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny ady amin'ny fiovan'ny toetr'andro; fametrahana fiahiana ara-tsosialy afaka miatrika loza ara-toetrandro hanampiana ny olona tratry ny loza voajanahary mifandraika amin'ny toetr’andro; ary famoronana rafitra ara-tsakafo sy fomba fisakafoanana mora ampiharina manoloana ny fiovan'ny toetr'andro sy ny voina. Raha tsy mitombo ny fampiasam-bola amin'ireto karazana vahaolana ireto dia vao mainka ho sarotra amintsika ny miala amin'ny krizin’ny COVID-19.

Ny ankamaroan'ireo vahaolana ireo dia misy fiantraikany mifampitohy izay mahasoa ny lafiny ara-pahasalamana sy ara-toekarena, ary manatsara ny tohi-bely amin'ny loza izay mety hitranga aoriana ao.

Ao anatin'ny tontolo iray izay ahitana firenena 17 misintona maherin'ny 80% ny tahirin-drano  ananan'izy ireo isan-taona dia tsy maintsy mamorona famatsiana rano azo antoka ho an'ny ankizy isika. Ny fitantanana tsara kokoa ny loharanon-drano iraisana sy ny fiaraha-miasa matanjaka kokoa dia afaka manampy amin'ny fampiroboroboana ny fandriam-pahalemana sy ny fananganana tanàna maharitra kokoa. Mbola afaka manampy amin’ny fampaharetana ny asa fivelomana sy ny fiantohana ny tontolo madio sy milamina ho an’ny zaza tsirairay ihany koa izany.

Mandritra izany fotoana izany, ny fanomezana rano azo antoka ho an'ny 40%-n’ny mponina manerantany tsy afaka mahazo fitaovana fitahirizan-drano madio sy fanadiovana dia ahafahana misoroka ny fihanaky ny areti-mifindra toy ny COVID-19, sady manome tombony 4 dolara amerikana isaky ny 1 dolara ampiasaina. Amin'ity taonjato faha-21 ity dia tsy misy antony marim-pototra izay tsy ahafahantsika manome rano sy savony madio isan-trano, isaky ny sekoly, na hopitaly, na tobim-pahasalamana.

Amin'ny lafiny rehetra amin'ny asantsika dia azontsika atao ny manaraka ny làlana nasehon'ireo tanora toa an'i Vanessa, izay tsy vitan'ny hoe miantso fanovana, fa tena mitondra fanovana ihany koa. Ohatra, iray tamin'ireo mpandresy tamin'ny « Défi COVID-19 » nokarakarain’ny UNICEF ho an’ny fanavaozana any Nizeria no namorona vahaolana avy amin'ny masoandro mba hamoronana rafitra famatsian-drano maharitra ho an'ireo vondrom-piarahamonina tsy afaka misitraka amin’ny fomba azo antoka sy sahaza izany loharano izany.

Ny vahaolana toa izao dia samy ilaina amin'ny fotoana fohy, satria manamaivana ny vokadratsy ara- toekarena sy ara-tsosialy nateraky ny COVID-19, ary amin'ny fotoana maharitra satria tena ilaina amin’ny fananana tohi-bely tsara kokoa sy ny fampihenana ny entona karibôna.

Teny farany…

Tao anatin'ny taratasy misokatra nosoratako tamin'ny taona 2019, izaho dia niresaka momba ny antony mampanahy ahy mikasika ny ho avin'ny ankizy sy ny tanora ary ny antony mampisy fanantenana. Tsy nampoiziko hoe herintaona aty aoriana, valan’aretina iray no nampiseho tamin’ny fomba nahavalalanina fa tena mitombina tokoa ireo ahiahy ireo.

Manana vaovao ratsy aho: na dia mitarazoka aza ity krizy ity ary miharatsy ny fiantraikan’izany ara-toekarena, ny lalantsika dia feno zava-tsarotra. Ny dona ara-toekarena dia manakorontana ny tetibolam-panjakana ary manohintohina ny fandrosoana am-polony taona maro. Raha tsy mandray fepetra mafonja haingana isika, dia ho azo tsapain-tanana hatrany amin’ny taranaka maromaro ny voka-dratsin’izany.

Kanefa, ity ny vaovao tsara: azontsika atao ny manarina izany toe-zavatra izany amin'ny alàlan'ny fanararaotana ny fahafahana tsy manam-paharoa ananantsika ankehitriny entina mitondra fanarenana eo amin’ireo rafitra iorenan’ny fiainan'ny ankizy sy ny tanora.

Noho izany dia manao antso avo ho an'ny ankizy, ny tanora ary ny mpitarika eo amin'ny sehatra rehetra eo amin'ny fiarahamonintsika aho – ireo tompon’andraikitra eo amin’ny sehatra politika manerantany, ny mpitondra fivavahana, ny mpanao lalàna, ny mpanao fanatanjahan-tena avo lenta, ny mpanao gazety, ny mpisolo vava –  ary koa ho antsika tsirairay avy.

Ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia tokony hanamora ny fanarenana tsy manavaka olona, ary mametraka ho laharam-pahamehana ny fampiasam-bola amin'ny ankizy sy ny zon’ny zaza. Ao anatin’ny sehatra maro midadasika, manomboka amin'ny filaminana sy ny fanajana ny fianan’ny tsirairay manokana eo amin’ny aterineto hatrany amin’ny fianarana ampitain-davitra,  mandalo amin’ny famatsian-drano madio, ny sehatra tsy miankina dia tokony mandroso lavitra kokoa mba hahafahana mitondra fanavaozana hitondra soa ho an’ny ankizy sy hiarovana azy ireo. Ary ny olom-pirenena dia mila mampatsiahy hatrany ireo manam-pahefana mikasika ny andraikitr’izy ireo manoloana ny ady amin'ny fanavakavahana sy ny tsy fitoviana.

Tamin'ity taona ity, 75 taona izao no nanorenan’ny UNICEF indray ny ho avin'ny ankizy tsirairay. Noho izany toe-javatra izany, andao isika hanohana ny ankizy sy ny tanora, miaraka amin’ny fahatsapana hamehana mba entina manorina fahafaha-manao ho azy ireo, mamelombelona ny nofinofin'izy ireo ary manampy azy ireo amin'ny dingana rehetra eo amin'ny fiainany.

Tsy ny krizin’ny COVID-19 no farany ho sedrain’ny zanak'olombelona. Andao hiara-hiasa isika ary haneho firaisankina mba hivoahana matanjaka tokoa amin'ity areti-mandringana ity.

Henrietta Fore

- Tale Jeneralin’ny UNICEF