Eto Madagasikara, ny kilasy fanarenana dia ahafahan’ny ankizy manohy fianarana

Toy ny ankizy rehetra, Rachida Tombosoa sy ny zokiny vavy dia afaka nandeha tany amin'ny Sekoly Fanabeazana Fototra ao Katsepy, any andrefan'i Madagasikara.

Aubry Razanakoto
Education des filles
UNICEF/UN0312751/Ralaivita
09 Aogositra 2022

Niova ny zava-drehetra rehefa nisaraka ny ray aman-drenin’izy ireo nandritra ny taom-pianarana 2020-2021. Satria tsy nanam-bola handoavana ny saram-pianarany sy nividianana ny  fitaovam-pianarany intsony ny reniny, dia  niala an-tsekoly i Rachida, ao amin’ny kilasy T2. Ny zokiny vavy indray dia nanohy ny fianarany, ankoatra ny fanampiany ny reniny amin’ny maha mpivarotra amoron-dalana azy. Laharam-pahamehana ho an’ilay fianakaviana kely ny fitadiavana sakafo.

Amin’ity tanàna kely any amin’ny faritra andrefana ity, tsy izy ireo irery ihany anefa no miaina izany toe-javatra izany. Tsy dia liana loatra amin’ny fandefasana ny zanany any an-tsekoly mantsy ireo ray aman-dreny satria tsy tafiditra ao anatin’ny kolontsaina any ny fanabeazana ny ankizy. Nohon’ny fandraisan’andraikitr’ireo talen-tsekoly sy ny mpampianatra, ny fidirana an-tsehatry ny Fitaleavana isam-paritry ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ary ny fanohanan’ny UNICEF, dia natomboka ny kilasy fanarenana mba hiverenan’ireo ankizy ireo amin’ny ambaratongam-pianarana iray sy hanohizan’izy ireo ny fianarany. Farafahakeliny, 80 isan-jaton’ireo ankizy noraisina ao amin’izany kilasy izany no niala an-tsekoly noho ny fisalasalan’ireo ray aman-dreny.

Iray amin'ireo mpanentana eo anivon’ilay fandaharan’asa, Ramatoa Lucia, no nandresy lahatra ny renin'i Rachida hampiditra azy ao amin'ilay kilasy fanarenana. “Tsy nahatohitra ny fahantrana ny finiavana hanome fanabeazana ny zafikeliny. Noho izany dia vonona ny hanolotra fanampiana aho mba hanohanana ny fiverenan’i Rachida any an-tsekoly. Na izany na tsy izany, niharihary fa tiany izany ary te hahomby amin’ny fiainany izy”, hoy ny fanazavan’i Ramatoa Lucia. Nisoratra anarana i Rachida ary niezaka mafy izy mba hitovy amin'ireo mpiara-mianatra taminy taloha. "Tena tiako ny fahavononan’ny mpampianatra ahy manokana nohon’ny fanampiany rehetra, ny famporisihany ary ny fahavononany hanaraka ny fivoarako" hoy i Rachida.

Rachida
UNICEF Madagascar/2022

Nisoratra anarana i Rachida ary niezaka mafy izy mba hitovy amin'ireo mpiara-mianatra taminy taloha.