Eto Madagasikara, ny fahombiazan'ny bokikely fanazaran-tena mba ampiakarana ny fari-pahalalana
-

Tahaka ny mpianatra maro avy amin'ny faritra atsimo atsinanan'ny nosy, i Rosalina, 12 taona, dia tsy nianatra nandritra ny herinandro maromaro mba hanampiana ny ray aman-dreniny amin'ny asa mampidi-bola. Amin'ny fotoanan'ny hamehana sy ny rivodoza dia zava-dehibe ny fifanomezan'ny mpianakavy tànana amin'ny fanomezana fahafahampo ireo filàna madinidinika andavanandro sy ny fandoavana ny saram-pianarana. Tsy anisan’ireo tokony hatao laharam-pahamehana tokoa mantsy ny fitaovam-pianarana.
Manoloana ity taha avo dia avo eo amin’ny fialana an-tsekoly ity, izay mifanohitra amin’ny fampiroboroboana ny zon’ny ankizy tsirairay hahazo fanabeazana, ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, tohanan’ny mpiara-miombon’antoka toy ny UNICEF ao anatin’ny programa “Miverena an-tsekoly sy mianatra”, dia namolavola bokikely fanazaran-tena miisa telo ho an’ny mpianatra, izay ahitana ireo taranja fototra : Matematika, Frantsay ary Malagasy mba hanatsarana ny fari-pahaizan’ny mpianatra rehetra amin’ny ankapobeny sy hanamafisana ny fahaizan’ireo ankizy tsy tonga nianatra, toa an’i Rosalina ihany koa. Ny fampiasana ireo fitaovana ireo dia mikendry ny famerenana an-tsekoly ireo ankizy. Mpianatra miisa 25.102 no voakasik’izany ao amin’ny Fitaleavana isam-paritra any amin’ny faritra Atsimo-Atsinanana, ary nisitraka izany kojakoja sy fitaovam-panazaran-tena izany.
I Rosalina dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahombiazan’ireo boky fanazaran-tena ireo izay nampiasainy hatramin’ny 3 Novambra 2022: « Amin’izao fotoana izao dia mora azo ny lesona satria manao fanazaran-tena maro voarakitra ao anatin’ireo bokikely fanazaran-tena vaovao ireo izahay ». Ao an-tokantrano, rehefa mampihatra ny toromarika momba ny fampiasana ireo boky efa nomen’ny mpampianatra azy i Rosalina, dia mizatra an’ireo fanazaran-tena izy araka ny lesona efa natao tany an-tsekoly ary avy eo dia manaraka tsara ny fanitsiana.
Amin’izao fotoana izao dia mora azo ny lesona satria manao fanazaran-tena maro voarakitra ao anatin’ireo bokikely fanazaran-tena vaovao ireo izahay.
Araka ny voalazan’ny talen’ny sekoly ianarany dia hita tokoa ny fivoarana tamin’ireo mpianatra maromaro: « Nivoatra tamin’ny taranja telo dia ny matematika, frantsay ary malagasy i Rosalina sy ny mpiara-mianatra aminy maromaro, raha oharina tamin’ny vanim-potoana toy ity tamin’ny taon-dasa ». Ary tsy ho an'ny mpianatra irery ihany ny zava-tsoa azo. Ny fanolorana ireo bokikely ireo dia nahafahan'ny mpampianatra namporisika ny mpianatra hanao fanazaran-tena bebe kokoa, fiatrehana mahomby izany amin'ny tsy fahampian'ny boky fianarana any an-tsekoly. Noho izany dia manana fitaovana tsara kokoa ireo mpampianatra mba hahatonga ny lesona ho azo sy ho raisina amin'ny lafiny maro, entina manamora ny fahatakarana izany.
« Ho an’ny teny frantsay, ohatra, dia amin’ny teny roa, amin’ny teny frantsay sy amin’ny teny malagasy ny fanazaran-tena, ka azoko tsara ny fanontaniana ary tena mazoto manao izany aho. Nihatsara koa ny fahatakarako mamaky teny frantsay. Raha ny matematika indray dia toa mora kokoa ireo fanazaran-tena. Raha zara raha nahazo salan'isa 10/20 aho teo aloha, dia tena tsara ny vokatra azoko tamin'ny fanadinana teo amin'ny telovolana farany satria nahazo naoty 16/20 aho, » hoy i Rosalina tamim-pireharehana.