Eto Madagasikara, ilaina ny fitsaboana manakaiky vahoaka anatin’ny fotoan-tsarotra

Ao anatin'ny fotoan-tsarotra mahakasika ny maha-olona sy manoloana ny tsy fahafahan'ny tokantrano mandoa ireo fandaniana momba ny fahasalamana, ny fitsaboana omen’ireo tobim-pitsaboana mandehandeha dia mamonjy ain’ankizy anarivony .

Angelin Rabezandriny
Angele pendant la consultation externe à Imanombo, commune d'Ankarana, district de Farafangana
UNICEF Madagascar/2022/Rabezandriny
02 Aogositra 2022

« Tena nahatsiaro maivana izahay nohon’ny fahatongavan'ireo mpiasan'ny fahasalamana eto amin'ny tanàna misy anay mba hitsabo anay ary miaraka amin’ny fanafody maimaim-poana, indrindra taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai sy Emnati », hoy ity renim-pianakaviana antsoina hoeTsofiazy ity, izay tonga nitsabo ny zanany vavikely, Angèle, 12 volana, teny amin’ny tobim-pahasalamana mandehandeha etsy amin’ny toby Imanombo, any amin’ny faritra Atsimo Atsinanan’I Madagasikara.

Mihoatran’ny 20 km miala ny tobim-pahasalamana akaiky indrindra no misy an’ity tanàna kely ity, ka noho izany dia ilaina ny fandoavana 8.000 Ar na 2 dolara mba hahatongavana any, amin’ny alàlan’ny fiara.

« Rehefa tena aretina mafy ihany vao mamonjy eny izahay satria tsy takatray ny saran’ilay izy. Izany no antony tsy mbola nahazoan’ny zanako fitsaboana: mikohaka sy voan’ny tazo efa ho herinandro izy. Ankoatran’ny saran’ny fiara dia tsy maintsy manana vola hividianana fanafody ihany koa ny tena; nefa tsy vitako izany, » hoy izy.

Anisan’ny tratran’ny rivodoza Batsirai sy Emnati, izay namely ny Nosy tamin’ny volana febroary lasa teo, ny faritra Imanombo. Niharan'ny fahavoazana lehibe ny mponina sy ireo sampan-draharaha sosialy. Na dia niverina aza ny fikarakarana ara-pahasalamana ao amin'ilay tobim-pitsaboana, dia sahirana ireo fokonolona niharam-pahavoazana amin’ny fisitrahana izany. Ny fahaverezan'ny trano fonenana, tany azo volena na asa fivelomana dia nanery azy ireo hanao laharam-pahamehana ny filàna tena ilaina toy ny sakafo sy ny trano, ka nampitondra fahavoazana ny fanaraha-maso ara-pahasalamana.

« Raha miharatsy ny toe-pahasalaman’i Angèle dia tsy maintsy miomana amin’ny fitondrana azy eny amin’ny tobim-pahasalamana aho, miaraka amin’ny sarany rehetra mifandraika amin’izany. Amin'izao fotoana izao aloha dia mbola mandinika tsara ny fivoaran'ny toe-pahasalamany izahay. Manana mpiasan’ny fahasalamana izahay ety, saingy any amin’ny 6 kilometatra eo ho eo no misy azy ary tsy misy afa-tsy ny tazomoka no tsaboiny. Tsy voaofana hamantatra sy hitsabo aretina hafa izy. Tsy manana akora iasana ihany koa izy ary rariny raha asainy mamonjy tobim-pahasalamana izahay, » hoy ny fanazavany.

Ny tobim-pahasalamana mandehandeha dia manampy be tokoa ary manome azy ny fanantenana rehetra momba ny fisitrahana fanaraha-maso tsara kalitao. « Mahazo fitsaboana sy fanaraha-maso ara-tsakafo ny zanako eto. Ilay toeram-pitsaboana dia manome anay fahafahana manao vaksiny ihany koa. Ny zanako manokana izao dia tokony hahazo ny rappel vaksiny kitrotro ao anatin'ny 3 volana, » hoy i Tsofiazy tamim-pireharehana. Ity karazana tolotra mandehandeha ity no angatahin’ny fokonolona, fara-fahakeliny indray mandeha isam-bolana, indrindra amin’ity faritra ity izay niharatsy tokoa ny tsy fanjarian-tsakafo taorian’ireny loza voajanahary ireny. Ho fanohanana izany, ireo reny dia mangataka fanofanana tsaratsara kokoa ho an’ireo mpanentana ara-pahasalamana, entina mamantatra ireo aretina mpahazo ny  zaza mba hanamora ny fomba fiasa sy ny fitsaboana.

Amin'izao fotoana izao, ny UNICEF dia miditra an-tsehatra amin'ny fanalefahana ny krizy amin'ny alàlan’ny fanohanana ara-teknika, ara-pitaovana ary ara-bola mikasika ny fametrahana toeram-pitsaboana mandehandeha. Natao izany mba hanomezana fitsaboana manakaiky ny vahoaka any amin'ireo toerana marefo indrindra ao amin'ilay faritra. Mitotaly 18 ireo tobim-pahasalamana mandehandeha, toy ny eny Imanombo, izay mandrakotra ny distrika 5 amin’izany faritra izany, mandritra ny iray volana.

Ireny tobim-pitsaboana mandehandeha ireny koa dia ahafahana mizara fanafody sy sakafo ara-pahasalamana ho an’ny tobim-pahasalamana sasany, noho ny fitomboan'ny filàna ara-pitaovana taorian'ireny loza ireny. Hita ho nitombo ireo fikarakarana ara-pahasalamana ho an'ny mponina mitoka-monina na lavitry ny tobim-pahasalamana, ary ireo tobim-pahasalamana dia afaka miantoka tolotra manara-penitra ho an'ny mponina, indrindra ny vehivavy sy ny ankizy manaraka azy ireo. Ireo tobim-pitsaboana mandehandeha ihany koa dia ahafahana manentana momba ny fitakiana tolotra ary fomba mahomby hampiroboroboana izany.

Rasoarimalala Angele Gabriella, une petite de fille de 12 mois et sa mère Tsofiazy
UNICEF Madagascar/2022/Rabezandriny
Rasoarimalala Angele Gabriella, une petite de fille de 12 mois et sa mère Tsofiazy après une consultation externe à la clinique mobile de Farafangana dans le site d'Imanombo.