Eto Madagasikara, hofanina ireo ray aman-dreny mba hanaraha-maso raha ampy sakafo na tsia ny zanany
Maherin’ny 100.000 ny ray aman-dreny any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara no nahazo fiofanana momba ny fampiasana fitaovana tsotra hitiliana ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ireo zanany

Any amin’ny tanànan’i Bevoalavo any atsimon’i Madagasikara, i Sanasoanandrasana (25 taona) dia sahirana amin’ny fiasana ny tanin-katsaka izay an’ny ray aman-dreniny, ao anatin’ny hafanana migaingaina mahatratra 30°C. Miaraka aminy ny zananikely antsoina hoe Razafimandimby, 2 taona, izay miandry azy fatratra eo ambanin’ny masoandro, miaraka amin’i Nicolas rahalahiny. Mijaly noho ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika i Razafimandimby. « Fanindroany izao tao anatin’ny herintaona no nampidirana azy teny amin’ny tobim-pahasalamana satria tsy ampy hahasalama azy ny sakafo omeko azy, » hoy ny reniny.
Reny tokan-tena i Sanasoanandrasana ary manampy azy ny ray aman-dreniny. Anisan’ireo renim-pianakaviana nahazo fiofanana momba ny fampiasana fitaovana tsotra hamantarana ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny zaza izy: ny brasele fangalana ny refi-tsandry izay misy loko mampiavaka telo: maitso, mavo ary mena. « Nihena hatrany ny lanjan’ny zanako lahikely ary rehefa nojereko tamin’ny alàlan’ny brasele ny refin-tsandriny dia hitako fa any amin’ny faritra mena izany, izay midika fa tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika izy. Nentiko teny amin’ny tobim-pahasalamana akaiky indrindra izy, izay telopolo minitra miala ny tranonay », hoy i Sanasoanandrasana. Ny UNICEF sy ny mpiara-miombon'antoka aminy dia nanofana ray aman-dreny maherin'ny 100.000 mba hanampiana azy ireo hamantatra avy hatrany ny tsy fahampian-tsakafo eo amin'ny zanany. Ao amin’ny tanànan’i Bevoalavo, i Tirisoa (18) no isan’ireo mpanentana ara-pahasalamana nanohana ity fiofanana ity. « Mitandrina tsara ireo ray aman-dreny ary mampihatra ny toromarika omena azy ireo, » hoy izy.


Ny fanadihadiana farany momba ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika dia nampiseho fa ankizy manodidina ny 309.000 any amin'ny Grand Sud eto Madagasikara no atahorana ho tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika hatramin'ny volana aogositra 2022. Anisan'izany ny zaza miisa 60.000 eo ho eo lasibatry ny tsy fanjarian-tsakafo lalina. Ny fitiliana faobe izay notohanan’ny UNICEF dia singa fototra amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Ankizy 130.000 eo ho eo isam-bolana no vitan’ny mpiasan’ny fahasalamana fitiliana, miaraka amin’ny fanampian’ireo ray aman-dreny. Noho izany dia afaka mahazo fitsaboana sahaza ara-potoana eny anivon’ny tobim-pahasalamana ireo ankizy ireo.
Isaky ny zoma dia tonga eny amin’ny tobim-pahasalamana i Sanasoanandrasana mba haka ireo fatrana sakafo ara-pahasalamana ho an’ny zanany isan-kerinandro. Ireo fanampiana ireo dia atolotry ny UNICEF sy ireo mpamatsy vola toy ny Sampan-draharaha Eoropeana ho an'ny fanampiana maha-olona sy ny fiarovana sivily (ECHO), ny Biraon'ny Foreign, Commonwealth & Development (FCDO), ny Birao Amerikanina ho an’ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) sy ny Governemanta Japoney. Raha ny tokony ho izy dia ho sitrana afaka herinandro vitsivitsy i Razafimandimby raha manaraka io fitsaboana io. « Manomboka izao dia hiezaka ny tsy hanao an-tsirambina ny sakafon’ny zanako aho na dia miaina ao anatin’ny toe-javatra sarotra aza izahay, » hoy i Sanasoanandrasana namarana ny teniny.

