Eto Madagasikara, efitrano fianarana mitondra fiovana amin’ny fampianarana
-

Sambany teto Andrefan’i Madagasikara, any amin’ny faritra Boeny, no nanamboarana efitrano fianarana ho an’ny mpianatra rehetra ao amin’ny Fari-piadidiam-pampianarana ao Marovoay. Zava-baovao eo amin’ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara izany fotodrafitr’asa izany, izay ahitana fitaovana an-tsekoly sy lavapiringa mitokana ho an’ny zazavavy sy ny zazalahy. Io fanorenana io dia tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny tetikasa Fanohanana ny Fanatsarana ny Fanabeazana eto Madagasikara (AQUEM) izay nahazo famatsiam-bola avy amin’ny Tahirim-bola Frantsay momba ny Fampandrosoana, indrindra ny fitantanana ny isan’ny mpianatra be loatra ao an-tsekoly.
« Io efitrano fianarana io dia efitrano iray fanampiny ho an’ny sekolinay. Mitondra ainga vaovao ho anay izany mba handraisana ireo mpianatra rehetra », hoy i Herve Auguste, Talen’ny Kolejy Fanabeazana ankapobeny ao amin’ilay Distrika. Manana mpianatra efa ho 1.602 eo ho eo ny sekoly amin’izao fotoana izao, ka misy mpianatra manodidina ny 70 isaky ny efitrano mandritra ny fotoam-pianarana. Mandritra ny herinandro, ireo efitranon'ny Sekoly fanabeazana fototra mifanila aminy dia ampiasaina andraisana ireo mpianatra. « Tsy maintsy namela efitrano fianarana roa aho, kanefa ny mpianatra ao amiko aza dia efa mihoatra be. Misaotra ny UNICEF aho tamin'ity fandraisan’andraikitra ity », hoy i Marlyn Olivia, Talen'ilay Sekoly Fanabeazana Fototra.
Ity tetik’asa tsy mbola nisy toa azy ity dia notanterahina taorian’ny fifampidinihana teo amin’ny UNICEF, ny Foibem-pitantanana sy ny Fari-piadidim-pampianarana ao Marovoay. Ankoatr’ireo fitaovana an-tsekoly dia misy ihany koa ny valizy siantifika entina mianatra ireo taranja toy ny fizika-simia, ny siansan’ny fiainana sy ny tany ary ny informatika.
« Ho afaka hanatanteraka ny fahalalana teorika ihany izahay amin'ny farany ary hiroso amin'ny fampiharana. Ho mora kokoa amin’ny mpianatra ny fianarana lesona. Ho an’ny mpampianatra indray dia mamaha ny olana eo amin’ny lafiny fitaovana enti-mianatra ny fisian’ity efitrano ity, » hoy i Paulari, Mpanolotsaina Pedagojika ao amin’ny CISCO Marovoay.
Mpampianatra siantifika miisa 39 ihany koa no nahazo fiofanana entina manamora ny fampitana ny fahaiza-manao amin’ny alàlan’ny fampiasana ireo fitaovana ireo. « Hanova tanteraka ny fomba hianaran’ny mpianatra ato aminay izany. Tsy ampy ireo fampianarana teorika ary mampanantena vokatra maharesy lahatra ny fahafahana manao fanandramana, » hoy hatrany ny talen’ilay sekoly. « Tena sambany tokoa i Marovoay no nahazo fotodrafitr’asa lehibe tahaka izao. Fotoana tokony araraotina izao ho an’ny taranaka ankehitriny sy ho avy mba hampahomby azy ireo amin’ny fianarana », hoy i Marlyn Olivia, Talen’ny sekoly ambaratonga fototra.