Eto Madagasikara dia mifanome tànana hamonjy aina ny reninjaza sy ny mpiasan’ny fahasalamana

-

IAVILISY Rame Kara
Razandry et l’une des sages-femmes du centre de santé d’Ampasina Maningory
UNICEF Madagascar/2022/Kara
17 Jona 2022

Fomba fanao hatramin’izao eo anivon’ny fiaraha-monina Malagasy ny fanantonana reninjaza. Tsy ny reninjaza rehetra anefa no manana ny fahaiza-miasan’i Razandry, izay efa nanao io asa io nandritra ny folo taona tany amin’ny faritra Analanjirofo, ao amin’ny kaominina Ampasina Maningory. Efa-taona izay no niarahany niasa tamin’ireo mpampivelona ao amin’ny tombim-pahasalamana fototra (CSB) mba ho azo antoka kokoa ny fiterahana. « Azahoana tombony tokoa ny fiterahana eny amin’ny tobim-pahasalamana fototra. Tandindomin-doza ny ain’ireo vehivavy ireo : alefako avy hatrany eny amin’ny toeram-pahasalamana fototra izy ireo raha vao tsapako fa sarotra ny fiterahana, » hoy ny fanazavany.

Asa goavana sy lavitra ezaka no tanterahin’ireo mpiasan’ny fahasalamana mba hiantohana fiterahana tsy misy olana.  « Ny ankabezan’ny vehivavy dia amin’ny ora farany vao mamonjy tobim-pahasalamana, rehefa miatrika fahasarotana lehibe, ary matetika maherin’ny enina ora aorian’ny fihetsehan-jaza, » hoy i Josette Gabriella, iray amin’ireo mpampivelona ao amin’ny tobim-pahasalamana fototra. « Rehefa tsy vitan’ireo reninjaza ny mampiteraka ireo vehivavy, ka entiny any amin’ny tobim-pahasalamana fototra ireto farany dia asaina mikarakara ireo tera-bao izy ireo, manadio ny latabatra fiterahana, mampiakanjo ny zaza vao teraka… Ny fiterahana mahomby dia mitarika fifanakalozana amin’ireo dingana samihafa mba hahitana ireo famantarana ny loza, sy ireo fepetra mila raisina eo no ho eo raha misy fahasarotana, » hoy i Josette Gabriella.

Hitan-dRazandry fa mahasoa izany na ho an’ireo mpiteraka na ho azy. « Etsy andaniny, salama tsara sy tsy tandindomin-doza ireo reny sy ny zaza, ary etsy ankilany, mahazo fahalalàna mahakasika ny fiterahana sy ny loza mety hitranga aho, momba ny sakafon’ny zaza vao teraka sy ny zaza kely, ny sakafon’ny reny, ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza vao teraka izay ampianarin’ireo mpiasan’ny fahasalamana any amin’ny tobim-pahasalamana fototra… » hoy ihany izy. Ireto farany dia misitraka fiofanana ao anatin’ny tetikasa 1000 andro voalohany, miaraka amin’ny fanohanan’ny Takeda. Koa satria ireo reninjaza ireo dia manana fahalalàna mikasika ny sakafo ara-pahasalamana sy ny fahasalamana mba hanohanana bebe kokoa ireo vehivavy mitondra vohoka sy mampinono, dia mandray anjara mivantana amin’ny fanatsarana ny fandraisana eny anivon’ny tobim-pahasalamana fototra sy amin’ny fanatsarana kokoa ny fikarakarana izy ireo noho izany.

 

Nadège Kalaroa pose avec ces deux enfants
UNICEF Madagascar/2022/Kara
Nadège Kalaroa sy ireo zanany

Ho an’ireo tera-bao, mandray soa avy amin’ny fanentanana mandritra ny fitondrana vohoka sy aorian’ny fiterahana izy ireo. Misitraka feno ireo tolotra izy ireo, ka anisan’izany ny fizaham-pahasalamana alohan’ny fiterahana, ny fanaovana vaksiny ary ireo fanafody, izay anohanan’ny UNICEF ny tobim-pahasalamana fototra. Niteraka ny zanany faharoa tao amin’ny tobim-pahasalamana fototra Ampasina Maningory i Nadège Kalaroa tamin’ny febroary 2022. « Tena nankasitrahako tokoa ny fanohanana sy fanampian’ireo mpiasan’ny fahasalamana nandritra ity fitondrana vohoka faharoa ity. Naharay hafatra sy tari-dàlana karazany maro sy feno kokoa aho, indrindra momba ny fitondrana vohoka azo antoka, ny sakafon’ny reny sy ny zaza, » hoy izy.