Arrianne, tanora U-Reporter te ho mpanao gazety izay mihaino ny hetahetan’ny tanora any Tolagnaro

-

Ny Hasina RAMAHENINA
Arrianne JRC
UNICEF/UN0484730/Ramasomanana
09 Jolay 2021

Razafitsihaminy Arrianne, 17 taona, mpianatra ao amin'ny ambaratonga faharoa, dia mipetraka any atsimon'i Madagasikara any Tolagnaro miaraka amin'ny ray aman-dreniny sy ny iray tampo aminy 5, ary izy no alohan’ny farany. Hatramin'ny faha-14 taonany, tamin'ny 2018 no niditra tao amin'ny JRC (Junior Reporters Club) tao amin'ny onjampeo “Anosy Fréquence” teo an-toerana izy. Ny programa JRC dia manome ny tanora fiofanana amin'ny fomba fanaovan-gazety amin'ny radio ka hahafahan’izy ireo manao fanazaran-tena eo anivon’ny onjam-peo eo an-toerana. Tamin'izany fotoana izany dia nandray anjara tamin'ny fifaninanana “One Minute Junior” izay nanoratany lohahevitra momba ny fandehanan’ny ankizy an-tsekoly koa izy. Ny “One Minute Junior” dia hetsika ara-java-kanto iraisam-pirenena ahafahan'ny tanora mpandray anjara maneho ny heviny amin'ny alàlan'ny horonan-tsary fohy iray minitra enti-mampita hafatra sy miaro foto-kevitra iray.

Tamin'ny tafatafa nifanaovanay tamin'i Arianne tamin’ny volana Jona lasa teo dia niresaka tamin-kahalalahana momba ny zavatra maharesy lahatra azy sy ny antony nisafidianany handray anjara amin'ny fandaharana maro mikendry ny tanora ao an-tanànany izy. « Nisafidy ny ho Skoto zazavavy aho talohan'ny naha JRC ahy. Safidy manokana izany satria efa hatrizay aho no tia mifandray amin'ny olona ary indrindra ny ho tafiditra amin'ny sehatra mifandraika amin'ny zon'ny ankizy, » hoy izy nanambara tamim-pitsikitsikiana ny amin’ny nofinofiny mba ho lasa  mpanao gazety. Amin'ny faran'ny herinandro sy mandritra ny fialantsasatry ny mpianatra dia asa sosialy no handaniany ny fotoanany.

Manana toetra malala-tànana izy ka nanjary namana mahatoky ho an’ny namany izy. Nilaza taminay i Arrianne fa manahy momba ny fitondrana vohoka aloha loatra izay mahazo vahana eo amin'ireo tovovavy mitovy taona aminy ao Tolagnaro izy. « Betsaka ny zazavavy manodidina ahy no bevohoka ary tsy mianatra intsony noho izany. Tsapako fa adidiko ny manao zavatra hanampiana azy ireo sy hisorohana mba tsy hanimba ny hoaviny ireo tovovavy ireo ». Izany no antony  hanomanany dieny izao  ny fandraisany anjara amin'ny andiany vaovao amin’ny “One Minute Junior” mba hiresahany mikasika io trangan-javatra io. Vao tsy ela akory izay dia niditra tao amin'ny programa “U-Report” natomboka tao Tolagnaro ihany koa izy. Miaraka amin'ny fidirany an-tsehatra hafa amin'ny maha-skoto sy U-Reporter azy, i Arrianne dia manana ny herijika rehetra mba hampandrenesana ny feony mahakasika ny olan'ny tanora isan-karazany.

Ny fanohanan'ny UNICEF, amin'ny alàlan'ny famatsiam-bola avy amin'ny Sampan-draharaha Koreana misahana ny Fiaraha-miasa iraisam-pirenena (KOICA) ho an'ireo fandaharan’asa mifandraika amin'ny tanora – ao anatin'izany ny programa “U-Report” sy ny “Junior Reporter Club” – dia hahafahan’ny tanora, indrindra ny zazavavy, ao amin'ny Faritra Anosy mandray andraikitra sy mampisy fiantraikany amin'ny fiovana tsara eo anivon’ny fiaraha-monina.