05 Febroary 2023

UNICEF Madagascar - Hoavy tsaratsara kokoa ho an'ny ankizy

Amin'ity taona ity, ny UNICEF dia mitondra fanavaozana ary manakaiky kokoa ireo mpiara-miombon'antoka sy mpamatsy vola. Raha mbola mitohy ny hetsika sy fandraisana andraikitra isan-karazany ho an'ny ankizy, ny UNICEF dia maniry ny hizara ireo zava-bitany, niaraka tamin'ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon'antoka rehetra.     Ny vonjy taitra any…, Inona no tokony ho fantatra mikasika ny…, COP 27 sy ny hetsika fanentanana ataonay, Ny COP 27 dia fotoana ahafahana mampita ireo hafatra fanentanana manan-danja mba hanomanana sy hiarovana ary hametrahana ny ankizy tsirairay ho laharam-pahamehana amin'ny fanapahan-kevitra mahakasika ny toetr’andro. Ny UNICEF Madagascar dia nanotrona ireo tanora mpikatroka, solontenan’ny delegasiona malagasy tamin’ireo hetsika adisisika…, Ny Fihaonana an-tampony momba ny fanavaozana sy fampivoarana ny fanabeazana, fotoana iray anaovana adisisika, Ny fandraisan’i Madagasikara anjara tamin’ny Fihaonana an-tampony ho amin’ny fanovana ny fanabeazana tamin’ny volana septambra, niaraka tamin’ny fanohanan’ny UNICEF, dia nahafahana nanasongadina ireo fanamby lehibe amin’ny fanabeazana eto amin’ny nosy sy ny fanohanana eo amin'ny lafiny famolavolana ireo politikam-panabeazana. Ny fanadihadiana…, Andro maneran-tany ho an'ny ankizy sy ny « Going Blue » 2022, Ny ady amin’ny fanavakavahana amin'ny endriny rehetra no lohahevitry ny Andro maneran-tany ho an’ny ankizy tamin’ny taona 2022. Naseho tamin’ny alalan’ny fifanintsanana baolina kitra misy mpilalao 7 izay nokarakaraina tany amin’ny faritra 3 hiasan'ny UNICEF izany dia Antananarivo, Analanjirofo ary Androy. Ankizivavy, ankizilahy, ankizy manana…, Vonona amin’ny fiatrehana ny hamehana !, Isan-taona dia iharan'ny hamehana i Madagasikara noho ny loza voajanahary, miteraka hain-tany, rivo-doza ary tondra-drano. Ho fanampiana ireo ankizy sy fianakaviana tra-boina, ny biraon'ny UNICEF eto Madagasikara dia manohana ny fandraisana andraikitra tarihin'ny governemanta amin'ny alàlan'ny Birao Nasionaly momba ny fitantanana ny loza (BNGRC).…, Fantaro ireo mpiara-miasa aminay eny an-kianja !, Sariaka Ranaivoson, première femme driver pour le bureau de l’UNICEF à Madagascar. Sariaka Ranaivoson, vehivavy mpamily voalohany ao amin’ny biraon’ny UNICEF eto Madagasikara, Amin'ny maha-vehivavy voalohany sy hany mpamily ho an'ny UNICEF eto Madagasikara, Sariaka dia mizara izany traikefa izany amintsika. « Mampirehareha ahy ny mieritreritra fa izaho dia manao asa izay heverin'ny ankamaroan'ny olona ho natokana ho an'ny lehilahy. Ary tsy izany mihitsy ny zava-misy, ataoko io asa io ary ary tiako. Ankehitriny, tsy…, Tojo Ramaroson, Chief Field Office – Région Analanjirofo Tojo Ramaroson, Lehiben’ny Birao eny an-kianja, Faritra Analanjirofo, Toy izao ny tenin’i Tojo : « Tojo dia maso sy sofina ary feon’ny Solontenan’ny UNICEF eny anivon’ny faritra, mpitondra tenin’ny Solontena lefitry ny fampandehanan-draharaha ary saina manakiana ny Solontena lefitry ny fandaharan’asa amin’ny lafin-javatra miafina/tsy hita maso eny anivon’ny faritra . » Amin’ny maha Lehiben’ny biraon’ny UNICEF ao…, Marco Razanakolona, POT Education à Ambovombe Marco Razanakolona, ny zavatra niainany niainga avy amin'ny maha mpilatsaka an-tsitrapo azy tao amin'ny Firenena Mikambana mandra-pahatongany ho Mpiandraikitra ny lafin’ny fanabeazana eo anivon’ny UNICEF, any atsimon'i Madagasikara., Taorian'ny taona maromaro naha-mpampianatra azy tao amin'ny Ivotoerana ambony teto Antananarivo, dia nila fanamby vaovao i Marco, indrindra eo amin'ny sehatry ny fampandrosoana sy ny maha-olona ary ny fijerena ny zava-misy eny an-kianja. Izany no antony nisafidianany ny ho lasa mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Firenena Mikambana, izay mifandraika…, Fisaorana mitafotafo ho an’ireo malala tanana mpamatsy vola !, Noho ny fanohanan’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka aminay dia manohy manao izay rehetra azo atao ny UNICEF Madagascar mba hahafahan’ny ankizy tsirairay miaina sy mitombo ary mivelatra. Tamin'ny taona 2022, ny fanoloran-tenanareo dia nahatonga ny ekipanay hitondra fanampiana tena ilaina ho an'ny ankizy. MISAOTRA !   Thank you >>…