« TOSIKA FAMENO » : rivo-baovao ho an'ny fianakaviana marefo anaty fihibohana
Chantal Raharimalala, 21 taona, renim-pianakaviana manan-janaka telo, dia tsy nahazo an-tsaina velively ny fiainany aorian'ny valan’aretina COVID-19. Nanomboka tamin'ny 21 martsa tokoa mantsy, raha nanambara ny fihibohana teto an-drenivohitra ny governemanta malagasy, dia very asa izy sy ny vadiny izay mpanao zaridaina sy mpandrafitra trano. Ho…